airtel

Politique

21-févr-2024

Krizy sy banky ropitra ny Firenena…

Manomboka ny fipoahana ara-tsosialy…

Sample post image

Tao anatin’ny herinandro mahery no tsy teto an-tanindrazana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelinan

21-févr-2024

izay niatrika an’ilay WGS (World Governement Summit) tanyn Dubaï, avy eo nikisaka nakany Addis-Abeba niatrika ny fivoriana ara-potoan’ny Vondrona Afrikanina andiany faha-37, izay tsy mbola fantatra na efa tafaverina eto na mbola any ivelany. Rehefa zohiana, tena ny filalaovana ny serasera aloha no misongadina, toy ny fiezahana mivoy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa nilamina sy fitaratra ny fifidianana natao teto Madagasikara. Voizina mafy fa manga ny lanitra eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny ny Banky Iraisam-pirenena. Raha ny firesaka any ivelany dia tahaka ny efa tena lasa lavitra amin’ny fandrosoana i Madagasikara, fa ny zava-misy anefa dia saika krizy ny sehatra maro. Ny zava-misy dia hita taratra ny fipoahana sosialy amin’ny endriny samihafa : delestazy efa miteraka fihetseham-bahoaka toy ny tetsy Ampandrianomby sy tany Ambatondrazaka, tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy miteraka lonilony sy fifandonana tahaka ny fanafihana tobin’ny zandary tany Ankazomiriotra. Ny Fanjakana toa krizy, hany ka maro indray ireo mpandraharaha namatsy ny Fanjakana na « fournisseurs » mitaraina fa tsy azo ny volany. Atao mahagaga ve raha tapitra potika ny làlana satria fay ireo orinasa sy mpandraharaha mpikojakoja ny volany tsy azo na sarotra ny mitaky azy, ka mampijaly ny RN2, RN4, RN5, RN6. Aoriana dia mety hitokona noho ny haratsian-dàlana ny mpitatitra, ary ny vidin’entana miakatra hatrany vokatr’izany. Ny krizy ara-toekarana, ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy,… Ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra ambony samihafa any ivelany, dia adika sy lazaina avokoa fa fahatokisana sy fahamangan’ny fiaraha-miasa, toy ny nilazana fa nanantitra ny fahatokisana ny haitarika ananan'ny Filoham-pirenena sy ny vinany ho an'ny fampandrosoana. Atao litania indray izao ny hoe : fahazoana 4,130 miliara dolara hanohanana tetikasa 26 toy ny tontolon’ny angovo, ny fotodrafitrasa, fampianarana, ny fananan-tany,… Tsy vao sambany tamin’ny serasera amin’ny resaka famatsiam-bola izany ary tsy mandeha ho azy io fa tsy hoe : mitosatosaka fahatany. Mila Fanjakana tan-dalàna, tsy be kolikoly, mandala ny demokrasia,… Ny aprily 2022 no efa nisy fanasoniavana famatsiam-bola 534,9 tapitrisa dolara tamin’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ny tetikasa « connecter Madagascar » fa mby aiza izao ? Ny aprily 2023 dia mbola nisy soniana 600 tapitrisa dolara mizara roa ireo tetikasa hahazo izany dia ny fampifandraisana nomerika sy amin'ny alalan'ny angovo ho an'i Madagasikara (CEDIM) izay mitentina 400 tapitrisa dolara ary ny famokarana, mba hahavitana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eny ambanivohitra, mitentina 200 tapitrisa dolara, hoy ny serasera. Tena nandeha ve ny famoaham-bola na « décaissement » ? Tena misy vokany ho an’ny firenena ve ireny raha tarafina amin’ny toekarena ankampobeny sy ny fiainam-bahoaka sa ny serasera no mipoapoaka?
FAHARAVANA SY FIHEMORANA !
Any amin’ny lafiny toekarena faobe sy ny fihariana na ny «Macroéconomie » no hitarafana ny fandrosoana fa tsy santionan-javatra sy sehoseho ivelany. Inona ny fahapotehana tsy hita eto amin’ny Firenena ankehitriny ? Ny làlam-pirenena tapitra potika ny ankamaroany izay tena miantraika amin’ny toekarena, ny fihariana, ny fizahantany,… Ny orinasam-panjakana toy ny Air Madagascar maty tanteraka ka misosoka sy manjaka ho azy ny vahiny. Ny Jirama miha potika hatrany noho ny tsy fahaiza-mitantana. Ny renivohitra afa-baraka eran-tany amin’ny maha tompondakan’ny havoretrana, tototry ny fako sy loto ary traboina vao avy kely ny orana dia traboina. Ny resaka fahavitrihan’ny mpampiasa vola vahiny mivantana na IDE maivan-danja, ny mpandraharaha eto an-toerana betsaka no mitondra faisina : fitakian-ketra mihoampampana, fahasarotana ara-panjakana, fanagadrana noho ny antony politika,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap