airtel

Politique

26-mars-2024

Laza Razafiarison

«Tena tsy ho ela dia hivoaka ny ala»

Sample post image

Tena tsy ho ela dia hivoaka ny ala fa mahereza kamarady,

26-mars-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison, sady nampiseho ny sariny any anaty ala tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Mpirahalahy mianala, hoy izy. Averiko fa tsy voasakana izany ny lalantsika hanova rafitra. Mahereza, mijoroa fa handresy isika, hoy hatrany ny tenany. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe ny kabary niezinezina ny sabotsy teo nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, teny Tsimbazaza ve no nahatonga ity mpanao politika ity nilaza izany sa antony hafa? Ity filohana antoko ity izay mivoy hatrany fa mirefarefa amin’izao fotoana izao no politika taratra eto Madagasikara ary matetika nilaza ihany koa izy fa tsy resaka politika avo lenta amin’ilay antsoina mahazatra hoe jeopolitika na «géopolitique» intsony izao no mifehy izao tontolo izao fa efa ny antsoina hoe ekzopolitika na «exopolitique», izay hifandraisan’ny firenen-dehibe sasany toa an’i Etazonia mihitsy amin’ireo fisiana hafa ivelan’ny tany na any amin’ireo planeta hafa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap