airtel

Politique

21-oct-2022

Politique

Loholona Rakotondrainibe Michel « Andraikitray ny fiahiana vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana »

Sample post image

Nanao tatitra tamin’ireo mpifidy vaventy teny amin’ny distrikan’Avaradrano omaly ny loholona voafidy ho an’ny faritanin’Antananarivo tamin’ny anaran’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Rakotondrainibe Michel.

21-oct-2022

Navoitrany tamin’izany fa isan’ny tamberin’andraikitra amin’ny mpitantana tahaka izao ny fampitana izany ho an’ny eny ifotony. Nampahafantarina tamin’izany ireo lalana voafidy teny anivon’ny Antenimierandoholona ho an’ny taona 2021. Teo koa ny fifanakalozan-kevitra ho fanatsarana sy ny fandraisana ny sosokevitra avy amin’ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Anisan’izany ny fampidiram-bolan’ny kaominina sy ny fampitaovana, ny olan’ny tsy fandriampahalemana ary ny lafiny sosialim-bahoaka. Zava-dehibe ho anay mpifidy vaventy ny tatitra tahaka izao, andrasana kosa anefa ny ho fiantraikan’izany eny amin’ny tomponandraikitra eny ifotony, hoy ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina avy eny an-toerana. Nanaovan’izy ireo antso avo ny hanafainganana ny famoahana ny didim-panjakana fampiharana izany. Manampy izany ny fifanankalozan-kevitra teo amin’ny loholona MMM sy ireo mpifidy vaventy. Nohainoina ireo sosokevitra ahafahana mitondra fanatsarana sy ny fanolorana izany ho an’ny mpitondra fanjakana mandritran’ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera amin’izao fotoana izao, hoy ity loholona ity. Anisan’ny andraikitry ny loholona ny miaro ny tombontsoa ho an’ny vahoaka eny ifotony sy fiahiana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, hoy ihany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap