Miteny ho azy hatrany ny tondro samihafa maneho fa miha milentika ny vahoaka sy ny firenena. Tsy nitsaha-niakatra ny trosan’ny Fanjakana Malagasy nandritra ny 5 taona nanomboka ny 2019. Tafakatra hatrany amin’ny 55,13% amin’ny harin-karena faobe ho an’ny taona 2022, izay mitotaly 7 925 000 000 7euros. Ho an'ny taona 2023 aza dia tafiakatra hatrany amin'ny 56,1% amin'ny harin-karena faobe izany. Voarakitra ao anatin’ny antotam-baovaon’ny contryeconomie.com fa raha miainga amin’ny tamin’ny taona 2022, dia mibaby trosa 274 Euros na 1 205 600 Ariary tsirairay avy ny Malagasy isam-batan’olona haanefana an’io io trosa io. Tsy nitsahatra niha bokan-trosa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy niainga ny 2009 satria teo amin’ny 122euros isan’olona io nialohan’ny fanonganam-panjakana tamin’izany fotoana izany, saingy niakatra 100% mahery izany. Teo amin’ny 42,89% Aamin’ny harin-karena faobe ny trosa tamin’ny 2018 ary nibaby 195euros avy ny Malagasy, saingy tsy nitsaha-niakatra io. Mariky ny fijotsoan’ny firenena izany noho ny tsy fahaiza-mitantana, tsy fahafehezana ny laharam-pahamehana sy ny tena filan’ny firenena, fa mirona any amin’ny kirendrarendra sy sehoseho ivelany. Mahay mandany vola tsy tena makany amin’ny fanasoavana ny Malagasy ny Fanjakana, ka ny vahoaka no milentika sy bokan-trosa, hany ka tafakatra 80,7% ny tahan’ny fahantrana, faha-124 amin’ny 125 eo amin’ny tondro momba ny hanohanana, ny 80% amin’ny tanora tsy an’asa,... Mahita vola holaniana na hotrosaina amin’ny zavatra tsy tena mamokatra sy tsy mamorona harena fa tsy mahita vahaolana maharitra hanarenana ny toekarem-pirenena. Mbola azo raisina foana ny kianja nolazaina manara-penitra natsangatsangana tetsy sy teroa lazaina fa navoaka tamin’ny volan’ny Malagasy madiodio toy ilay nandaniana 77 tapitrisa dolara na 380 miliara Ar teo nanaovana ny kianja Barea kanefa izao any Afrika Atsimo no tsy maintsy hatao ny lalao. Tahaka izany ihany koa ny teleferika hireharena io izay nitrosana hatrany amin’ny 153 tapitrisa euros na 700 miliara Ar kanefa tsy tena mitondra inona ho an’ny toekerana ? Andaniny, ny làlana tapitra potika kanefa ny volan’ny Fonds Routier tsy hita hoe : natao aiza, hany ka ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina aza nametra-panontaniana. Izao mikorosy fahana avokoa ny fitantanana, hany ka io nirosoana io ny fampihenana sy fanapaham-bola isaky ny Minisitera na « coupe budgétaire » izay voalaza fa nahafahana nanentsina 1036 miliara Ar ny Jirama. Betsaka ireo sahatra manam-bola amin’ny Fanjakana toy ny kaompanian-tsolika, ireo nanao tsenam-panjakana tsy voaloa vola, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fahasalaman’ny mpiasam-panjakana am-perin’asa sy misorotro ronono izay misy mampiato ny « prise en charge »,… Ny Fanjakana miha bokan-trosa kanefa ny fampanantenana mitombo indrindra amin’izao fotoanan’ny propagandy izao ka moa tsy mitombo hatrany ny lainga manara-penitra ?
Toky R
Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo
Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana
Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,
Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?
Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :
Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny