airtel

Politique

29-août-2022

Politique

Madagasikara sy Afrika Diso rafitra sy politika

Sample post image

I Afrika tsy mahalala ny tena atao hoe fandrosoana izany, hoy ny mpandinika fiarahamonina frantsay iray nivahiny tamina haino aman-jery frantsay ny faran’ny herinandro teo.

29-août-2022

Ny jeneraly De Gaulle, hoy izy, raha nanome fahaleovantena ireo zanantany frantsay dia tsy nampanantena fampandrosoana na “developpement” ho azy ireo fa nampanantena fifanarahana na “coopération”. Tsy mitovy anefa, hoy izy, ny kolontsaina, ny fiarahamonina, ny fomba fisainan-drizareo sy isika tany mandroso. Fiarahamonina tia fiombonana na “communiste” ny afrikanina. Isika frantsay kosa voataiza tao anatin’ny demokrasia malalaka na “libérale”, hoy hatrany ny tenany. Etsy ankilany dia isan’ny fanehoan-kevitrana mpanao politika sy mpandinika maro teto amin’ny firenena io resaka tsy fietezan-drafitra misy eto amin’ny firenena io. Mila miverina amin’ny demokrasiantsika dia ny demokrasia faha mpanjaka na “démocratie souveraine” isika, hoy ny antoko politika Natiora. “démocratie monarchique” no voizinay, hoy ny antoko politika Fanare, izany hoe toy ny tamin’ny andron’ny mpanjaka ihany. Tsy mety amintsika koa ity “démocratie libérale” ity, hoy ny vovonana vaovao ho an’ny fitohizan’asa na “Nouvelle plateforme pour la continuité”. Fehiny dia azo antoka amin’ny apahany betsaka fa diso rafitra sy politika aloha izany I Madagasikara sy Afrika, raha eo amin’ny resaka fampandrosoana, satria fampandrosoana tsy mendrika ny kolontsainy sy fiarahamoniny ary zava-misy ao aminy no noterena ho ampiharina eto hatramin’ny fanjanahantany no nankaty, raha izany rehetra izany no aravina.
Legende : Ny foiben’ny vondrona Afrikanina ao Addis Abeba, renivohitr’i Ethiopie
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap