airtel

Politique

25-janv-2024

Malagasy miara-miainga

“Navelan’ny mpiaro lalàna nandray anjara teo ny loto”

Sample post image

Nivory matetika tato ho ato ny vondron’ny kandida, hoy ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,

25-janv-2024

omaly. Matoa mbola tsy nisy nipika ny resaka tao, hoy izy ireo, dia mbola tsy tonga ny fotoana tena natao hanambarana azy. Mihevitra na izany na tsy izany, amin’ny maha antoko azy, ny MMM fa adidy ny mandray anjara amina fifidianana. Tokony handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika rehetra. Tsy feno ny maha antoko politika azy raha tsy izany. Tsy hoe atao an’izay anefa izy dia handray anjara fotsiny tsy am-piheverana fa jerena aloha ilay tokontany izay handraisana anjara amin’ilay fifidianana. Madio ve ilay tokontany? Manao ahoana ny lisi-pifidianana? Tontolo maloto be mihitsy no nanatanterahana fifidianana filoham-pirenena teo. Tsy madio ny tokontany. Ny kifafa namafana azy aza tsy nadio. Ny olona namafa koa tsy nadio na tena tsy namafa mihitsy fa niniana natao tanatina loto tanteraka ilay fifidianana mba hampisavorovoro ny rehetra. Vonona hiatrika fifidianana foana ny MMM ary efa nanaporofo izany. Na fifidianana ben’ny tanàna na solombavambahoaka na filoham-pirenena 2013 na fifidianana loholona farany teo izay nahazoany loholona miisa 2, solombavambahoaka am-polony ary ben’ny tanàna an-jatony. Mpanolontsain’ny tanàna koa an’arivony. Tena anatin’ny fanajana ny atao hoe andraikitry ny antoko politika izany ny MMM. Vao lavitra kosa nefa farany teo dia hita fa tena kilalao maloto ilay fifidianana filoham-pirenena. Tsy nisy niheritreritra mihitsy ny mpikarakara na CENI na HCC ny amin’ny hoe ahoana no tokony hampadio an’io fifidianana io? Toy ny efa nomanina an-taona maro ny fandotoana ilay fifidianana ho atao ary natao ny 16 novambra. Handray anjara ny MMM fa hametraka foana hoe tsy maintsy madio aloha ny tokontany! Tsy maintsy diovina aloha ny sehatra ilalaovana! Tsy maintsy mazava tsara ny andraikitry ny tsirairay avy ary manao izany am-pahamarinana! Efa notenenina fa tsy manana zom-pirenena malagasy intsony ilay kandida ary efa voaporofon’ny lalàna. Izay izany efa loto tokony nalana tamin’ny alalan’ny fanakanana an’io kandida io tsy hirotsaka intsony. Mbola navelan’ireo mpiaro ny lalàna nandray anjara teo nefa ny loto, hoy hatrany ny Malagasy miara-miainga.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap