airtel

Politique

28-avril-2026

Maminirina Miharisoa

na Tonton Mamy

Sample post image

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

28-avril-2026

Mbola tsy afaka hilaza isika hatreto hoe efa misy fanavaozana eto amin’ny firenena, hoy ny mpamakafaka politika, Maminirina Miharisoa, fantatra amin’ny hoe Tonton Mamy. Tsy afaka hitsaràna, hoy izy, hoe nahomby ve ny asa fanavaozana ny zava-misy satria tao anaty ririnina be no nisian’ny hetsi-bahoaka farany nanalàna an’i Andry Rajoelina teo. Lojika be ny delestazy tamin’ireny satria tanaty ririnina, tsy ampy ny famokarana, tsy ampy ny rano. Lojika hoe nipoaka amin’izay ilay izy. Niala i Andry Rajoelina. Lasa minisitry ny angovo i Ralitera hoe hamaha olana. Efa fahavaratra ny andro no teo izy ary na tamin’ny andron’i Rajoelina koa aza dia tsy dia nisy delestazy rehefa fahavaratra. Toy izany koa tamin’i Ravalomanana, izay nanomboka an’io delestazy io. Amin’ny haintany no tena hahafahana hitsara izao fitondràna izao hoe tena niasa ve? Hainareo ny toeran’ny mafia eto amin’ny firenena. Efa tsy eo intsony i Ravatomanga fa misy vaovao indray saingy mbola azo ambara hoe zazavao. Ny fanavaozana dia avy amin’ny teny hoe mihavao. Inona amin’izao rafitra izao no nihavao? Ny nampanantenaina dia hoe ravàna ny antenimierandoholona, ny CENI, ny HCJ, ny HCC. Izay no atao hoe fanavaozana. Olona no nosoloina hatreto ary olona vitsy. Ny filoha no niova fa ny ambiny ekipan’i Rajoelina ihany. Nigadra koa ilay mpanakarem-be iray iny fa ilay rafitra efa maty mbola eo. Ny rafitra ihany no tokony ovaina! Mila ovaina ny HCC! Toy izany koa ny rafi-pitsaràna. Tsy tokony tsabahan’izay filoham-pirenena eo intsony io fa mahaleotena. Toy izany koa ny ao amin’ny antenimieram-pirenena. Manapaka ny fitsipika mikasika azy ireo, manapaka ny karàmany nefa mbola baikoan’ny mpitondra koa. Ny antenimieram-pirenena no nandany ireo lalàna namotika ity firenena ity nefa mbola tazonina. Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
27-avril-2026

Manao ny ezaka rehetra ry maitso

Card image cap