iraisam-pirenena, toy ny nataon’ny Kaomisera ambony momba ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU, ny Papa Léon XVI izay olona isan’ny to teny sy be mpanaraka indrindra eto ambonin’ny tany, ny mpanao politika Frantsay Jean Luc Mélenchon izay manana parlemantera ao amin’ny antenimiera namadika ny «Dégage Macron » ho lasa « Dégage Rajoelina » ho an’ny eto Madagasikara. Ny masoivoho maro ahitana ny Vondrona Eoropeanina, Allemagne, Etazonia, Frantsa, Koresa, Suisse, Japon, Korea niaraka nanao fanambarana omaly fa malahelo amin’ny noho ny herisetra sy ny famoizana aina vokatry ny toe-javatra eto Madagasikara. Manamafy ny tokony hanajana ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy manatanteraka fivoriana am-pilaminana. Nampahatsiahy fa ireo zo fototra dia tsy azo ihodovirana amin’ny fiverenana amin’ny fitoniana ara-demokratika ary fototra iorenan’ny fampandrosoana maharitra. Ny Mpitondra tenin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Rosianina Maria Zakharova fa tsy voafehin’ny Fitondrana Rajoelina intsony toe-draharaha eo anatrehan’ny fijoroan’ny vahoaka, misy faty olona, maratra,… Sarotra ny toerana misy an-dRajoelina eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena. Mihanjahanja tanteraka i Andry Rajoelina, eny fa na eo anivon’ny SADC izay izy no filohany aza satria soatoavin’ity rafitra ity ny fanajana ny demokrasia, fahalalahana, Fanjakana tan-dalàna,… saingy efa lasa Fanjakana mpamono olona sy mihosin-drà no eto. Mazava ho azy, fa saro-toerana eran’izao tontolo izao i Andry Rajoelina na miezaka mitazona fahefana amin’ny basy aza. Vao mainka manao sorona ny Firenena sy ny vahoaka saingy asa raha mba mandinika an’izany ity Filoha ity izay tsy mipetraka ho maodely amin’ny demokrasia, tsy manana fanetren-tena,…
Toky R