airtel

Politique

12-déc-2022

Politique

Marc Ravalomanana “Tsy maika ny ho filoha aho, kanefa…”

Sample post image

ary vao mainka ho lasa any anaty kizo raha tsy mailo sy tena mandray andraikitra ny rehetra. “Jereo tsara ny fahorianareo amin’izao io, fa raha tsy mitandrina dia mbola ho avo folo heny noho io”,

12-déc-2022

hoy izy. Naneho ity Filoha teo aloha ity, fa tsy mbola nisy nidila tamin’ny zavatra efa nambarany ny zava-miseho satria tsy mandeha irery izy fa misy miara-miasa sy manome aminy, ary ireny mivoaka ireny ny tarehimarika sy antontan’isa samihafa toy ny resaka fahantrana, fihemorana ara-toekarena, krizy ara-tsosialy,… Nambarany fa antony ny fitavozavozana sy tsy fahalalana an’izany hoe mitantana firenena izany, izay nambarany fa tsy azo atao kitsapatsapa, tsy azo atao “kopikole kopikole” lava fa tena mila fahaiza-manao. Mila mandray ny tena andraikitrao maha Filoha anao, na maha depiote anao ianao. Mieritreritra ve ianareo fa ireo vahoaka mangina tsy miteny ireo dia tsy haninona tsy haninona? Rehefa tsy mihin-kanina ireo mety hanahirana. Raha tsy mitandrina sy tsy mijery ary tsy mamantatra tsara ny zava-misy fa hoe: leo politika, dia fahantrana lalina no setriny, hoy izy. Nahitsy ity Filoha teo aloha ity naneho fa mila manaraka tsara ny raharaha politika. Eo anatrehan’ny hoe: fifidianana misy fikatsahana hangalatra, dia ho hitantsika eo ny fahaizan’ireo mangalatra, fa sahy tsara ny Malagasy, tsy te hijanona amin’ny fahantrana, hoy izy. Naneho I Marc Ravalomanana fa tsy tokony hieritreritra ny olona hoe: maika hanao filoha izy, nilazany fa tsy maika amin’izany ny tenany fa kosa manamafy fa manana vahaolana hanalana ny vahoaka ao anatin’ny fahantrana lalina. Tokony hiray hina hoe: te hiala amin’izao fahantrana izao, tsy hijerena politika, tsy hasiana resaka firazanana, fa tena mila miray feo fa te hiala amin’izao. Momba ny fifidianana hatrany, nametra-panontaniana izy hoe: tena hisy fifidianana araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ve? Raha tena hisy dia hanaja ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona ve? Nahoana anefa ny CENI no tsy mamoaka ny tetiandro mazava ary tahaka izany ihany koa ny ara-bola? Nilaza izy fa n any CENI aza mbola tsy maharaka amin’ny antsipirihany indrindra fa eo anatrehan’ny tetibola izay 45 miliara Ar saingy tsy mbola voafaritra ny fifidianana hampiasana azy. Manamafy ny fanoherana ankitsirano ny fikasana hanemotra ny fifidianana noho ny kajikajy politika hita taratra amin’ny endrika fampitarazohana ny fikarakarana fifidianana toy ny resaka lalàna, ara-bola,… ihany koa I Marc Ravalomanana ary nanitrikitrika fa tsy araka ny lalàmpanorenana izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap