airtel

Politique

06-mai-2026

Mbola mafana ny dosie Raholdina

Mifanipaka ny resaky ny PAN

Sample post image

sy ny Minisitry ny Fitsarana…

06-mai-2026

Mbola mitana ny sain’ny maro ny mikasika ny dosie Naivo Raholdina izay nosamborina ny alin’ny sabotsy 02 mey 2026 lasa teo. Misy resaka mifanipaka eo amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ambony. «Araka ny lalàna, dia manana ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » ny depiote, ka tsy azo hesorina aminy io raha tsy misy fanapahan-kevitra avy amin’ny Birao maharitra. Hatreto, mbola tsy naharay taratasy avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana izahay ato amin’ny antenimierampirenena, ka mbola tsy misy fitsarana azo atao amin’ny depiote Naivo Raholdina », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko ny alatsinainy 04 mey 2026. «Tsy maintsy misy taratasy mazava tsara avy amin’ny Minisitry ny fitsarana manazava azy, ka mivory ny Birao maharitra, mijery hoe : hoesorina sa tsia ny «immunité parlementaire ». », hoy hatrany ity farany. Milaza moa i Siteny Randrianasoloniaiko, fa nitsabo tena tany ivelany sy natao fandidiana i Naivo Raholdina. « Ny Fanjakana Malagasy no nitsabo azy », hoy io Filohana andrim-panjakana io. Andaniny, nilaza mazava ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo omaly, fa efa tena nisy ny taratasy nalefa tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena talohan’ny fisamborana. « Resaka « administratif » fotsiny no nahatonga ny Filohan'ny Antenimierampirenena tsy naharay ny taratasy satria vao tonga izy, ny andro week-end dia tsy hitany hoe efa tao anatin'ny biraony tao ilay izy, fa izahay tsy manao zavatra tsy ara-dalàna. Tsy maintsy misy ny « demande de main levé » vao afaka manenjika depiote », hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Somary valalanina noho izany ny mpanara-baovao mikasika ity raharaha ity eo anatrehan’ny karazana fanehoan-kevitra mifanohitra teo amin’ireo samy tompon’andraikitra ambony. Ny Minisitry ny Fitsarana nanasokajy an’i Naivo Raholdina ho efa niala an-tsitrapo na « abandon de poste », kanefa tsy anisan’ireo depiote 5 niongana aloha izy. Nosokajiana ho fisamborana tsy ara-dalàna ny nataon’ny Fitsarana ? Efa iny nambaran’ny Minisitry ny fitsarana iny, fa nisy ny fangatahana fanesorana ny zo tsy azo henjehina fa tsy hitan’ny PAN ka hanao ahoana ny fandinihana izany eo anivon’ny Birao maharitra ? Ny loharanom-baovao azo antoka no nahazoana fa ny tompon’andraikitry ny arofenitra eo anivon’ny Antenimierampirenena no nanao tan-tsoroka ho azy teny amin’ny Seranam-piaramanidina rehefa nigadona tamin’ny sidin’ny ET 885 an’ny Ethiopian Airlines. Midika raha raisina amin’io fa nahazo toky ho tsy voakitika i Naivo Raholdina raha miverina eto ary mety misy ny fifanarahana na « deal politique » saingy nobedain’ny Fitsarana. Dia samy miandry ny tohiny izany ny rehetra hoe : Hanao ahoana ny tohin’ny raharaha ? Inona ny dosie hanenjehana azy ? Hoesorina ny zo tsy azo henjehina ary havela malalaka ny Fitsarana hanao ny asany ? Sa havotsotra sy hasaina mipetrapetraka tsara sy mangina ? Ho vitavita ho azy ireo mety dosie samihafa nanenjehana azy ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

06-mai-2026

ny fisamborana an-dRaholdina »

Card image cap
06-mai-2026

fiampangan’ny Antenimierampirenena

Card image cap
06-mai-2026

Nisokatra omaly ny fotoam-pivoriana

Card image cap
05-mai-2026

fampiofanana ireo mpampiofana hitarika

Card image cap
05-mai-2026

immunité », tsy misy fitsarana azo atao,… !»

Card image cap