airtel

Politique

18-janv-2024

Mbola Rajaonah, hiakatra fitsarana anio

Hotovanana taom-piasana iray ny fanagadrana ?

Sample post image

Raha tsy misy ny fiovana, hiakatra fitsarana anio 18 janoary 2024 i Mbola Rajaonah

18-janv-2024

izay migadra eny amin’ny fonjaben’Imeritsiatosika. Tsy fantatra mazava ny antony sy ny pitsopitsony, fa heverina ho fanamafisana sy fampitomboana ny vesatra hanenjehana azy, raha ny feo mivoaka amin’izao fotoana izao. «Nisy fotoana handeha hivoaka an’i Madagasikara ny vady aman-janany, tsy maintsy notapahana tamin’ny fianankaviany, ka nangataka tamin’ny Talen’ny fonja mba hivoaka arahina mpiambina. Nanaovana famotorana haingana dia haingana na ny Talen’ny fonja, na ny mpiambina, na ny tenany, ka nolazaina fa nanao fivoahana tsy manara-pitsipika (irréguliers). Fahefan’ny Lehiben’ny fonja no nataony. Efa akaiky ny fivoahany ny fonja. Amin’ny volana febroary, ka hanaovana dingana hivoahany ny fonja », hoy ny Mpisolovava azy Maitre Eric Rafidison tamin’ny vaovaon’ny fahitalavitra iray omaly. Ny 14 febroary izao moa no voalaza fa tokony hivoahan’ity mpandraharaha matanjaka ity ny fonja, ka mandeha ny tombana fa hisy dosie hafa indray hanaovana fanalavam-potoana hahafahana mitazona azy. Ity farany izay tsiahivina fa nosamborina ny 13 febroary 2019 izany hoe : iray volana latsaka taorian’ny nandraisan’i Andry Rajoelina ny fahefana. Ara-politika dia niara-dia tamin’ny fitondrana HVM, nanohana an’i Marc Ravalomanana avy eo rehefa nandeha ny fifidianana 2018,… Henjehina amin’ny heloka samihafa toy ny kolikoly, tsy fandoavan-ketra, fanararaotam-pahefana,… Fiandohan’ny taom-piasan’ny volomboasary no nisamborana azy sy nanagadrana azy ary ao anatin’izao fanombohan’ny fotoam-piasana faharoa izao indray no toa hanovanana ny fanenjehana an’ingahy Mbola Rajaonah ka asa hoe : hotohizana taom-piasana iray manaraka ve ? Tsy misy ny ambonin’ny lalàna, ary tsy tokony hisy afa-bela tokoa ny mpanao kolikoly sy mpambotry firenena, fa ny hafahafa eto amin’ny firenena fotsiny dia arakaraka ny loko politika no mampandeha na tsia ny fanenjehana. Eo amin’ny lafiny ara-toekerana, dia heverina fa endrika fifamelezana eo amin’ny samy Malagasy, samy mpandraharaha,… ka isika mifamono sy mifandetika fa ny vahiny toy ny sinoa sy karana mifamelona sy mampitombo ny fanjakany !
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap