airtel

Politique

21-févr-2024

Mbola Rajaonah

Miandry ny tsy maha eo intsony ny Volomboasary…

Sample post image

Niakatra fampanoavana indray i Mbola Rajaonah omaly 20 febroary 2024,

21-févr-2024

ka ilay raharaha filazana azy ho nitsoaka ny fonja izay namoahana didy fitazonana am-ponja vonjimaika na « MD » vaovao iray volana lasa izay. Voalaza moa, nangataka ny hivoaka ny fonja nandritra ny 3 andro narahina mpiambina i Mbola Rajaonah ny 12-13-14 aogositra 2022 izy noho ny antony ara-pianankaviana, ka nahazo alalana ara-dalàna. Lasa nivadika ho fitsoahana ny fonja. Efa nisy ny fanazavana nentin’ny mpisolovava Eric Rafidison, nilaza fa nambara ho heloka ambodiomby na «infraction flagrante » ity raharaha ity saingy nametrahany fanontaniana hoe raha io ambodiomby io dia fisamborana avy hatrany ny setriny kanefa nahoana no aty amin’ny janoary 2024 vao misy an’izany ? Nangataka fahafahana vonjimaika ny mpisolovava, saingy nolavina ka amin’ny 27 febroary no hiakatra fitsarana indray i Mbola Rajaonah. Ankoatra io dia misy «MD» hafa ihany koa mikasika heloka momba ny fadin-tseranana ihany koa, na efa nisy aza ny didy manasazy azy higadra 5 taona izay tapitra ny 14 febroary lasa teo. I Mbola Rajaonah izay efa naneho fifonana tamin’ny fitondrana raha nisy ny heverina fa hadisoany tamin’ny resaka tsy fitovian-kevitra politika. Mitovana hatrany ireo vesatra, ary mitovitovy hatrany ny manjo azy sy Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, izay vao niakatra fitsarana ihany koa ny faran’ny herinandro teo. Efa nahavita ny sazy 44 volana ary ny raharaha mbola hanenjehana azy izao dia efa nisy didy 30 volana, tokony ho natelin’ilay 44 volana raha ny filazan’ny mpiaro saingy tsy mety afa-bela. Toa manamafy fa ny politika no tena mitondra ny raharaha, ka mety tsy ho afa-bela i Mbola Rajaonah sy Rolly Mercia raha mbola i Andry Rajoelina sy ny ekipany no eo amin’ny Fitondrana. Nanampy azy ireo ny tompon’orinasan-gazety Lola Rasoamaharo, izay efa ho herintaona amin’ny volana martsa izao no any am-ponja, saingy nisy vesatra vaovao resaka fitsoahana ny fonja toy ny raharaha Mbola Rajaonah ihany koa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap