airtel

Politique

15-avril-2024

Miadanandriana

Tonga ny fitaovana ho an'ilay "centre de formation"

Sample post image

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

15-avril-2024

ny ivotoeram-panofanana informatika ho an'ny kaominina. Ny masera zanakavin'ny EKAR Ambohitsoabe no handray fandaminana izany ivotoeram-panofanana izany. Ankoatra ny resaka informatika dia hita ao ihany koa ny fianarana my fiteny Frantsay sy Anglisy.Tsy adino ny resaka fambolena sy fiompiana ary asa tanana izay tena fantatra fa ilain'ny mponina any amin'ity faritra ity.Tsara ho marihina fa tontoso izao ezaka fanabeazana sy fanovozam-pahalalana izao noho ny fiaraha-miasa eo amin'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana sy ny Association Manampisoa ary ny fikambanan-dry Masera. Fa ankoatran'ny ao Miadanandriana dia efa nahazo ny anjara fitaovany ihany koa ny eny Ambatomanga samy ao anatin'ny distrikan'i Manjakandriana moa ireto kaominina roa ireto. Nisolotena ny Association Manampisoa nandritra ny fotoana miavaka ny sabotsy lasa teo moa i Zoky Misa filohan'ny fikambanana, tazana teny an-toerana ihany koa Atoa Ranja mpiandraikitra ny FTT ho an'i Manjakandriana. Mifanome tanana isika ka hifampizara fahaizana sy fahalalana hoy izy ireo ary tanjona ny hananan'ny Malagasy toe-tsaina mahay mifanampy.Izay no mitondra mankany amin'ny fivoarana sy fandrosoana.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

sy ny frantsay ny fitondrana »

Card image cap
13-nov-2025

Efa nentina eto Antananarivo omaly,

Card image cap
13-nov-2025

fongory ny saribakolin’ny mpanjanaka!

Card image cap
13-nov-2025

jiro sy rano ho an'ny vahoaka

Card image cap
13-nov-2025

pirenena, miantso ireo manam-pahaizana

Card image cap