airtel

Politique

21-oct-2022

Politique

Mialohan’ny fifidianana 2023 Ho avy ny Praiminisitra miaramila ?

Sample post image

Voasokajy ho Praiminisitra naharitra indrindra ny Praiminisitra am-perin’asa Atoa Ntsay Christian. Toa tsy taitra sy tsy rototra hatrany, toa tsy sahy kitihina firy na maro aza ny zavatra tsy voafehin’ny governemanta ankehitriny,

21-oct-2022

voakiana matetika ny fahefana mpanatanteraka. Efa Praiminisitry ny marimarimaritra iraisana taorian’ny grevin’ny depiote 73 tamin’ny 2018, ary nitohy tamin’ny fahalanian’I Andry Rajoelina. Inona no tsiambaratelony sy antony tsy hahasahian’ny Filoha manaisotra azy kanefa ny ao anatin’ny Fitondrana aza misy maneho fa tsy voafehin’ny Praminisitra ny toe-draharaha amin’ny maha lehiben’ny Fitantanan-draharaham-panjakana azy, betsaka ny olana, maro ny lesoka,… Ho voatazona hatramin’ny fiarafaran’ny fitantanan’ny Filoha Rajoelina ve ny tenany? Tsara ny mampahatsiahy fa Fonksionera Iraisam-pirenena, ary voasokajy ho olon’ny sehatra iraisam-pirenena ity Praiminisitra ity. Na niainga tany amin’ny 2018 aza, izy no isan’ny teo amin’ny familiana ny firenena tamin’ny fifidianana nahalany an-dRajoelina. Mbola ho izay ve ny sary 2023? Mitovy ve anefa ny zava-misy tamin’izany sy ankehitriny? Ambony ny tsindry mety hanovana Praiminisitra mialohan’ny fifidianana 2023. Raha ny resaka nandeha hatramin’ny ela, eo anatrehan’ny tsindry politika goavana avy ato anatiny ary mety misy ifandraisany amin’ny iraisam-pirenena, mety ho tonga amin’ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana ihany mialohan’ny fifidianana. Minisitra vehivavy tamin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina no isan’ny anarana efa nihaodihaody, ary misy Minisitra iray tamin’ny fitondrana Ravalomanana fonksionera iraisam-pirenena ihany koa no anarana iray hafa re siosio. Etsy andaniny, mandeha ihany koa ny resaka fa mety hiketrika Praiminisitra be bokotra, izany hoe: manamboninahitra ambony avy amin’ny mpitandro filaminanana ny Fanjakana ankehitriny. Matetika miseho eto Madagasikara io rehefa mafimafy ny tsindry politika eto amin’ny firenena. Mety hanenjana sy hanao tsindry eo anatrehan’ny fiatrehana ny fifidianana mialoha sy mandritra ary aoriana. Tombanana ho henjakenjana mantsy ny toe-draharaha, ka izay no heverina fa mety làlana hianteherana eo anatrehan’ny mety ho fanoherana mahery vaika. Roa izany ny sary mety hiseho, ka na mety hilefitra noho ny tsindry ny Fanjakana Rajoelina mialohan’ny fifidianana dia hiverina ny sarisarintsarin’ny 2018 nisian’ny fanovana Praiminisitra sy ny governemantan’ny marimaritra iraisana toy ny natao tamin-dRajaonarimampianina izay Filoha lany tamin’ny fomba demokratika kanefa niharan’izany, na hanenjana sy hidingin-drambo hatramin’ny farany ny fitondrana dia ny be bokotra no ezahina hitondra ny baolina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap