airtel

Politique

12-déc-2022

Politique

Misavorovoro ny ekipan-dRajoelina Tandrohan’ny Minisitra Lalatiana i Christine.R

Sample post image

Sesilany ny fanenjehana mivantana na ankolaka ataon’ny Minisitry ny serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy

12-déc-2022

 miantefa amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan’io andrim-panjakana io Rtoa Christine Razanamahasoa, ary ampifandraisiny amin’ny mpanohitra izany. Tafiditra ao anatin’ireny ny filazany tao anatin’ny fandaharana manokana fanaony isaky ny zoma fa tena nisy ny fizaram-bola 5 tapitrisa Ar tamin’ny sonia, 5 tapitrisa Ar tamin’ny fanangana-tànana, ary 5 tapitrisa Ar rehefa tena lany. Tahaka izany ihany koa ny vaovao navoakan’ny gazetin’ity Minisitra ity, izay naneho fa ny TIM no tena miaro an-dRtoa Christine Razanamahasoa, ary nalahatra ny sarin’io depiote io sy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nifanandrify tamin’iny ihany koa moa no nisian’ny fanambarana politika nataon’ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana. Ny depiote IRD anefa no maro an’isa tao, ary tsy ho tafiakatra 105 velively, raha tsy nisy an’ireo, ary na ireo depiote avy amin’ny Vondron’Antokon’ny fitondrana aza misy ireo mijoro ampahibemaso fa tsy nisy an-tery sy resa-bola izany, fa fanavotam-pirenena. Ny Filohan’ity andrim-panjakana ity, izay voalaza fa ny taratasy nasaina nosoniaviny milaza tsy mitombona sy tsy manan-kery ny volavolana fitsipaham-pitokisana aza, dia voalaza fa tsy avy ao Tsimbazaza no nanoratana azy. Na efa natsefotra aza ny raharaha, mitohy ny vely kanota ara-politika sy ny ady ara-tserasera, toa mbola mamely an-dRtoa Christine Razanamahasoa sy ny depiote sasany. Naneho ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy fa ny depiote Hubert, dia asain'ny minisitra Lalatiana manala baraka ny antenimiera eo amin ny televizionina nasionaly. Nampiakarina avy any amin’izay misy azy (Mahanoro) any maika hanala baraka ny Kestoranay, hoy izy. Nomena iraka hanangan’ady sy hamotika an-dRtoa Christine Razanamahasoa ve ny Minisitry ny serasera? Io Filohan’ny Antenimiera io, izay voalaza fa saika hametra-pialana saingy ny Filoham-pirenena no voalaza fa niantso ny tsy hanaovany izany. Ankilany anefa, toa mandeha ny tsindry samihafa hanisahana ny an-dRtoa Christine Razanamahasoa. Tsara ny manamarika fa tsy anatin’ny Birao politikan’ny TGV-MAPAR ny Filohan’ny Antenimiera, raha toa ka manana ny antokony manokana ny Minisitry ny serasera. Tena ho teboka miabo ho an’ny Antokon-dRajoelina sy ny ekipany ve ny fisian’ny olona anatin’ny governemanta manangan’ady amin’ny filohana andrim-panjakana avy amin’ny volomboasary sy ny andrim-panjakana tarihiny? Tsy voalamin-dRajoelina intsony ve ireo mpanara-dia azy toa mifandefona ivoho ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap