mahafatra-po, mahay mijery ny vahoaka malagasy i Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny solontenan’ireo mponina avy any amin’ny faritra nanao fanambaràna tetsy 67ha omaly. Mahay mitsinjo anay any ambanivohitra any, hoy izy ireo. Izay no ilaina mitondra an’i Madagasikara ka miala i Rajoelina, hoy ny solontenan’ny sendika avy any Maintirano fantatra amin’ny hoe Monsieur Kosy! Ny olona tokony hisolo azy eo dia olona mitsinjo vahoaka. Mpitandro filaminana miaro vahoaka no ilaina fa tsy manenjika azy. Olona maneho hevitra tsy tokony enjehina sy handatsahana baomba mandatsa-dranomaso, hoy hatrany izy. Miantso ny mpitandro filaminana handray andraikitra amin’ny fitantanana firenena, hoy ny fanehoan-kevitra. Lalàna iraisampirenena ny famelàna malalaka ny fanehoan-kevitra fa tsy tokony hisy fanenjikenjehana. Tokony hahatsapa tena hiala amin’ny toerany ny mpitondra fanjakàna, hoy hatrany ny olompirenena miteny manoloana izao toe-draharaha ankehitriny izao!
Nangonin’i J. Mirija