airtel

Politique

23-mai-2024

Mpampianatra

Iharan’ny antsojay izay tsy mety manohana kandidam-panjakana ?

Sample post image

Mitohy ny faharaisana fitarainana samihafa amin’ny fanerena ny mpampianatra hiandany ara-politika.

23-mai-2024

Izay mpampianatra tsy mety miandany sy manohana ny kandida volombosary dia iharan’ny antsojay toy ny famindran-toerana, esorina amin’ny andraikitra sahaniny ? Tranga anisan’ny naharaisana fitarainana ankehitriny ny ao Befandriana Avaratra. Lehiben’ny Fiadidiam-pampianarana na Chef ZAP miisa 3 sy Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana na CISCO (Circonscription Scolaire) farafahakeliny no voalaza fa nesorina tamin’ny toerany dia araka ny vaovao azo, dia Atoa Randofimalaza Patrick chef ZAP Antsakanalabe Sud ; Randriamanantena Laurent Chef ZAP Tsarahonenana Nord ; Josefa Victor chef ZAP Tsiamalao Sud ; TONGASOA Gérard Andrix chef CISCO Befandriana Avaratra. Na eto Antananarivo aza dia misy kandida efa malaza ratsy ho mpihetraketraka anaovan’ny mpampianatra fitarainana. « Mampalahelo mihitsy ny mahazo anay Tale sy mpampianatra rehetra ato amin’ny tsindry hazo lena mahazo anay ato, anisany amin’izany ny fanerena anay hanova ny « photo de profi »l anay rehetra ho sarina kandida », hoy ny fitarainana voaray. Tahaka izany ihany koa ny any distrika sasany ao amin’ny Faritra Vakinankatra, izay tena betsaka ny fitarainana amin’ny tsindry atao amin’ireo mpampianatra hiandany ara-politika. Raha miverina mampahatsiahy ny lalàmpanorenana, dia voalaza mazava tsara ao amin’ny andininy faha-39, fa iantohan’ny fitondram-panjakana ny tsy fiandanian’ny fitondran-draharaham-panjakana, ny fampianarana, ny tafika, ny fitsarana,… amin’ny politika, saingy toa iniana hikipiana io. Olom-pirenena ny mpampianatra, ary manana zo sy safidy politika malalaka, fa tsy tokony hoterena sy hatao fitaovana politika. Efa betsaka ny endrika famotehana ny fampianarana dia mbola vao mainka alentika tanteraka amin’ny politika maloto ? Asa fifandrifian-javatra ihany ve ny nanehoan’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC teo aloha ny 13 mey lasa teo hoe : Ry Chef district, Ry Chef CISCO, Ry DREN. Aza manaonao foana intsony. Ny tody itsy misy ary ny ratsy atao miverina. Mba tsinjovy ihany ny ho avinareo sy ny taranakareo! » ?
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap