ny sehatra fanaraha-maso Safidy, manoloana ny fifidianana depîote notanterahana teto Madagasikara ny 29 mey lasa teo. Ny 3 tamin’ireo miompana amin’ny fanatsikafonana ny tranga fanitsakitsahana ny lalàna fototra mikasika ny fampielezan-kevitra dia ny nampiasana fahefam-panjakana sy mpiasam-panjakana ; fangatahana ny fanafoanana ny vaton’ny kandida tany amin’ny fari-piadidiana voakasika ; fangatahana mihitsy ny fanafoanana ny zotram-pifidianana amina birao fandatsaham-bato maromaro noho ny tsy fahampian’ny sonia miisa 2 tao an-damosin’ny bileta tokana nampiasaina. Niantso fanenjehana ara-pitsarana ireo nanao tsindry sy fanohintohinana ireo mpanara-maso ara-pifidianana ihany koa ny Safidy. Manantena izy ireo fa hitsara am-pahintsiana sy tsy mitanila ireo fitoriana ireo ny HCC, ary mino fa handray fepetra mba hanamafisana sy hampanjakana ny tena demokrasia, ary hiantoka ny fanajana ny safidim-bahoaka. Dia andrasana ihany koa izany ny vokana satria manana 16 andro aorian’ny vokatra ofisialin’ny CENI ny HCC. Hitsara araka ny tokony ho izy sa handeha amin’ny azo raisina fa tsy mitombina amin’ny endriny hafa ?
Toky R
Sary fanehoana
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo