airtel

Politique

26-mars-2024

Mpandray anjara fototry ny 2009

Maro no nisintaka sy niampanga an-dRajoelina…

Sample post image

Miovaova araka ny vanim-potoana tokoa ny politika! Na izany na tsy izany,

26-mars-2024

dia misy dikany sy misy lanjany lehibe ny nisintahan’ny ankamaroan’ireo olona tena akaiky an’I Andry Rajoelina tamin’ny raharaha 2009. Betsaka no efa nanao ampamoaka mikasika ireo teti-dratsy mamohehitra nilafihan’ny sarintsarina revolisionina, saingy ny vokatra tovozina mandrak’ankehitriny dia fahapotehana sy faharavan’ny firenena. Ny toa hanasokajiana an’ireo olona sahy nijoro sy namaky bantsilana ny tsy fanjariana politika samihafa tamin’ireny dia ny hoe: adala, tsy salama saina,… Nisantatra an’izany ry Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ireo tena mpandray anjara fototra, saingy niampanga tanteraka an’I Andry Rajoelina; tahaka izany ihany koa ry Jeneraly Rakotonandrasana Noel izay efa lasa nodimandry. Lasa aty amin’ny fanoherana an-dRajoelina ry Roland Ratsiraka, Hajo Andrianainarivelo, Monja Roindefo,… ary io karazan’ny miampanga ny fitondrana ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa izay ezahana henjehana mafy. Rehefa zohiana, ireo heverina fa olona tena nanana ny naha azy tamin’ny fanohanana sy fiarahana tamin’I Andry Rajoelina no efa miampanga azy ho tsy mahomby sy olan’ny firenena ankehitriny. Samy niampanga mivantana na ankolaka ny fomba fiasa sy fitananan-dRajoelina ny firenena, ny tsy fanajana lalàna, ny tsy fahombiazana, ny tsy fahafehezana ny diplaomasia,… Tena ireo mpanao politika ve no tsy nahay niara-niasa tamin’ny filoha ankehitriny sa kosa mahatsiaro ho diso fanantenana tamin’ny nafitsony? Marina fa miovaova ny politika ka ny mpiara-dia anio mety ho mpifanandrina rahampitso, ary ny mpifanandrina rahampitso mety ho lasa mpiara-dia aoriana, saingy ireny fiampangana sy ampamoaka maro samihafa ireny dia mamatotra an’ilay filoha ankehitriny ho zary lasa vato fototry ny fahapotehan’ny firenena noho ny sarintsarina revolisionina hosoka izay iny nofintinin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena iny fa toa nilafika fitaka ihany ka sarintsarim-pahafahana no misy ankehitriny, ary tsy ny rafitra no olana fa olona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap