airtel

Politique

11-août-2026

Mpitaky fanjakàna federaly

sy tokana «Firy isan-jato no efa

Sample post image

anaty lisi-pifidianana?»

11-août-2026

Alohan’ny hifandirana momba ny Fanjakàna federaly sy ny Fanjakàna tokana, hoy ny mpamakafaka politika, Erico Ramiandrisoa, dia misy fanontaniana iray tokony hapetraka amin'ny vahoaka malagasy, indrindra, isika tanora. Firy isan-jaton’ireo mitaky fanjakàna federaly ary firy isan-jaton’ireo manohana ny fanjakàna tokana no efa nisoratra anarana tao anaty lisi-pifidianana ary tena nandray anjara tamin’ny fifidianana, hoy izy? Tsy fanontaniana hanakihana olona io. Fanontaniana momba ny fahamatorantsika ara-demokratika. Raha mangataka rafitra vaovao isika, tokony ho vonona ihany koa handray ny andraikitra, adidy ary vokatra aterak’izany rafitra izany. Tsy ampy ny miteny hoe “Ovao ny rafitra!”. Tokony ho fantatra koa hoe vonona ve aho handray anjara amin’ny fananganana sy fanaraha-maso ilay rafitra tiako? Inona moa no ilàna rafitra federaly, raha mbola vitsy no mandray anjara amin’ny fifidianana? Inona no ilana rafitra tokana, raha tsy ampy ny fandraisan’ny olompirenena andraikitra amin’ny fitantanana ny firenena? Tsy ny anaran’ny rafitra no mamonjy firenena. Ny kalitaon’ny olompirenena ao anatiny no mamaritra ny fahombiazan’izany rafitra izany. Matetika isika no miteny hoe isika tanora no hoavin’ny firenena. Marina izany saingy tsy tokony hataontsika fialan-tsiny tsy handraisana andraikitra anio. Raha isika no tanora olon-dehibe ankehitriny dia efa antsika ihany koa ny firenena anio. Ny zaza mbola tsy ampy taona no tena miandry ny hoavy. Isika no mitantana, mifidy, mitsikera, manolotra hevitra ary mandray fanapahan-kevitra ankehitriny. Tsy tokony hiandry ny hoavy isika vao ho olompirenena. Anio isika no olompirenena. Anio isika no manana zo. Anio isika no manana adidy. Ary anio isika no tomponandraikitra. Raha tena te hanova ny rafitra isika dia aoka tsy hijanona amin’ny teny filamatra. Aoka isika hisoratra anarana, hifidy, hanara-maso, hianatra, handray andraikitra ary handray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Mety ho mora ny mitaky rafitra vaovao fa ny tena fanamby dia ny mampiseho fa mendrika sy vonona hitantana izany rafitra izany isika. Alohan’ny hanontaniantsika hoe rafitra federaly sa rafitra tokana dia tokony hanontany tena isika hoe olona toy ny ahoana no tiantsika ho ao anatin’ilay firenena tiantsika haorina? Izay no tokony ho fiandohan’ny adihevitra matotra. Sao dia mafana fo fotsiny amin'ny fanjakàna federaly sy tokana nefa tsy afaka handray anjara rehefa tonga ny fitsapàn-kevi-bahoaka na fifidianana lalàmpanorenana, hoy hatrany ity mpandinika ity.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Raha vao miresaka fianakaviambe

Card image cap
21-août-2026

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

Card image cap
20-août-2026

fandraisan'i Madagasikara azy...

Card image cap
20-août-2026

mankany amin'ny fifidianana

Card image cap
20-août-2026

Tsy nasian’ny SADC resaka sy tsindry mivantana intsony…

Card image cap