airtel

Politique

12-déc-2022

Politique

Naivo Raholdina “Soniako no nataoko fa tsy nisy nangalatra”

Sample post image

Tsy misy fanodinkodinam-bola izany eto amin’ny antenimieram-pirenena, hoy ny depiote Naivo Raholdina, ny sabotsy teo teny Tsimbazaza.

12-déc-2022

Misy kestora fahatelo sy tompon’andraikitra ao raha misy depiote mahita an’izany, hoy izy, fa tsy ny depiote tsy mivory na depiote HVM teo aloha izay hampirisihin’ny minisitra sasany miaro ny toerany no hiampanga ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny kestora. Ny nahatonga ny sonia dia tsotra. Izaho mahita fa misy minisitra maromaro tsy manatanteraka ny asan’ny filoham-pirenena. Soniako no nataoko fa tsy nisy nangalatra. Depiote maro fa tsy TGV irery no nanao sonia tao satria tsy mety loatra ilay tsy fanajana depiote. Misy minisitra vao mitondra hevitra any aminy ianao hoe tsy mety ny fanapahana karamana mpiraki-draharaha na “greffier”, ohatra, dia avy ilay minisitra dia miteny hoe tsy depiote no “patron” anay fa ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena. Noho ny tsy fanajan’ny minisitra sasany ireo depiote no nahatonga anay nanao sonia ary izao tsy afaka ny hiverina handa hoe tsy nanao sonia an’iny. Ny filoham-pirenena kosa hajaiko satria izy nametraka an’ireo dia izy izany no tokony hanova ny iraka ampanaovina an’ireo araka ny tokony ho izy. Nosintomiko ny soniako satria ny voalazan’ny birao politika anay dia hoe tsy miombon-kevitra amin’io. Tsipak’ombalahy mahatonga saina ireo minisitra ireo ireny fa tsy azo atao tsinontsinona izany olona voafidim-bahoaka izany. Tsy ekenay ny fanilihana an’io any amin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Volan’ny minisiteran’ny mponina hanaovana fitsirihina na “audit” ary raha te hiteny ianareo hoe nisy fanodinkodinam-bola tato dia ireo minisitra mandeha any an-dafy isan’andro ireo aloha jerena, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap