airtel

Politique

13-sept-2022

Politique

Naivo Raholdina “Tezitra fa tsy afaka narovako intsony ilay sefo fokontany”

Sample post image

Mitohy hatrany ny tatitra nataon’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Naivo Raholdina, voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy.

13-sept-2022

Ny sabotsy 10 septambra 2022 no nanohizany izany indray tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eny an-toerana tao amin’ny villa Hanitriniala Ambohidahy Ankadindramamy, hoy ny fampitam-baovao. Isany nanatrika izany ny sefo distrika Tana 5 sy ny mpiara-miasa aminy toy ny lefiny roa, ny delegen’ny boriborintany fahadimy sy ny lefiny, ny lehiben’ny ivonketra Tana 5 ny sefo fokontany sy ny lefiny ary ny sekretera mpitahiry volan’ny Fokontany. Nozaraina tamin’izy ireo ireo tahirin-kevitra mirakitra ny lalana lany sy ny zavatra niseho rehetra tamin’ny fivoriana ara potoana voalohany teny amin’ny Antienimerampirenena. Ny sefo fokontany no anisany akaiky ny vahoaka indrindra ka miara-miasa aminy avokoa ireo tomponandraikitra eny an-toerana ary isan’izany ny Solombavambahoaka, Naivo Raholdina. Mahakasika ireo reseka naparitaky ny sefo fokontany analamahitsy tanana teo aloha hoe nanambana basy azy sy naka ny findainy sy ny hafa dia nambaran’ity solombavambahoaka ity fa lainga marivotototra io filazana io ary tany misy lalana eto Madagasikara ka efa napetraka eny anivon’ny fitsarana ny fitoriana azy mikasika izany vaovao tsy marina izany, ary indrindra, ny fandrahonana izay ataon’io sefo fokontany voaroka io fa ny marina dia niaro azy foana ny Solombavambahoaka, Naivo Raholdina, hatramin’izay na dia maro aza ny fitarainan’ny olona mikasika azy toy ny tamin’ny Vary Tsinjo sy fikitakitana vahoaka sy ny sisa. Farany teo kosa dia nitaraina teny anivon’ny fiadidiana ny repoblika ny mponina maro teny Analamahitsy tanana amin’ny fakana vola mihoam-pampana eny amin’ny mponina sy orinasa eny an-toerana kanefa tsy miditra eny amin’ny fokontany akory ny sasany sy ny sisa fa lasa tombontsoany manokana dia tezitra izy satria tsy voaaron’ny Solombavambahoaka intsony kanefa mitonona ho mpanohana ny fitondrana izy, hoy hatrany I Naivo Raholdina. Tsy ara-dalana sy tsy misy porofo ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataon’io sefo fokontany io, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap