airtel

Politique

15-avril-2024

Nihena ny isan'ny kandida depiote

Voasotasotan'ny vola ny demokrasia

Sample post image

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

15-avril-2024

solombavambahoaka amin’ity fifidianana indray mitoraka ity. Teo amin’ny 519 ny isan'ireo taratasy firotsahan-kofidiana voarain'ireo OVEC rehetra manerana an'i Madagasikara. Ny 468 tamin'ireo no nankatoavin'ny OVEC, raha ny vaovao ny faran’ny herinandro teo. Nihena 284 nitaha ny tamin’ny 2019, ary latsaka 335 be izao, raha voatazona amin’ilay 468 ny isan’ny kandida ekena farany, aorian’ny mety ho valin’ny fampiakarana tany amin’ny HCC, izay hamoaka ny lisitra farany rahampitso. Raha nahatratra 803 mantsy ny tamin’ny 2019, manome salan’isa 6,7 izany hoe 6 na 7 isaky ny distrika teo raha zaraina amin’ny 119 distrika tamin’izany, dia manome 3,9 na kandida 4 isaky ny distrika ho an’ilay 468. Midika izany, fa nahomby ny sakantsakana marolafy nataon’ny fitondrana. Anisan’izany ilay antoka 20 tapitrisa Ar, ny tsy fahatokisana ny CENI sy ny HCC, ny politika maloto natao tamin’ireo kandida toy ny fanasarotana ny antontan-taratasy raha tsy hilaza afatsy ilay fanamarinana fandoavan-kevitra izay nisy efa taorian’ny 08 aprily vao navoakan’ny ivon-ketra,… Nosotasotaina tamin’ny vola sy kajy maloto ny demokrasia ! Nivoaka tao anatin’ny fanapahan-kevitry ny CENI fa kandia miisa 5 dia Antanifotsy, Antananarivo IV, Antsirabe II, Manakara, Ihosy izay tsy nahafeno ara-potoana ireo taratasim-panjakana na tsy nahazo ny taratasy manamarina ny fanefana hetra ara-dalàna, saingy neken’ny CENI fa tafaverina ho mpirotsaka ara-dalàna. Kandida miisa 5 ihany koa no nohamafisina fa kandida dia ny tao Iakora, Ikalamavony, Ambatofinandrahana, Fianarantsoa I, Nosy Be, ary Iakora. Miisa 2 kosa ireo kandida nangatahana tsy hanan-kery ny firotsahan-kofidiany nisiana fangatahana mba tsy hanan-kery ny firotsahan-kofidiany, saingy nilaza ho tsy mahefa sy tsy afa-manapaka ny CENI. Ny iray tamin’ireo dia ny avy ao amin’ny Boriborintany faha-6 dia Rtoa Voahirana Rajoelina anabavin’ny Filoham-pirenena sy ny kandida iray ao Fianarantsoa I. Kandida 17 no nekena ny tsy fandraisana ny taratasy firotsahan-kofidiana dia ny tao Ambatondrazaka, Fianarantsoa, Vavantenina, Maevatanana, Lalangiana, Bekily, Mahajanga II, Brickaville, Marovoay, Toamasina I, Antalaha, Ambohimahasoa, ary Ambanja.
AMPANJAKAINA TOKANA NY IRMAR….
Saika kandidan’ny tsy miankina sy ny Firaisankiana ary ny Antoko Arema avokoa ireo, ka isan’ny antony betsaka indrindra ilay anto-bola 20 tapitrisa. Mivoitra aloha fa nihen-danja ny demokrasia, manjaka ny herin’ny vola, nandeha ny kajy maloto samihafa izay toa hanomezana tombodahiny kandidam-panjakana. Mihena isa ny kandida tsy miankina sy ny avy amin’ny fanoherana, ary hampanjakaina ny kandidam-panjakana izay mampametra-panontaniana hoe: tena nahafeno fepetra 100% sy nandoa ilay 20 tapitrisa Ar daholo tokoa ve? Misy ohatra, dia tsy misy mpifaninana afatsy IRD toy ny ao Lalangina, Sambava,… Atao ny fomba rehetra hahazoana ny maro an’isa saingy tsiahivina fa nanana maro an’isa ny Filoha Tsiranana ny 1971 niongana ny 1972, tahaka izany ny Filoha Ratsiraka ny 2001, ny Filoha Ravalomanana ny 2009,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap