airtel

Politique

17-août-2026

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny RMDM

«Ravao ny antenimieram-pirenena, ny HCC, ny CENI…»

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny RMDM

17-août-2026

na Rodoben’ny mpanohana ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ny zoma teo. Raha fehezina ny hevi-dehiben’ny nambaran’izy ireo mikasika ny atao hoe fanadiovana ny fiainam-pirenena dia ny hoe ravao ny antenimieram-pirenena, ny HCC, ny CENI. Mila soloina antenimieran’ny fanavaozana ny antenimieram-pirenena ka ny antoko politika na vovonana politika, hoy izy ireo, no manolotra ny olona ao. Toy izany koa ny HCC na Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana. Avereno amin’ny minisiteran’ny atitany ny fikarakaràna fifidianana satria efa misy administratera sivily mandray karama amin’ny fanjakàna, ny fokontany no mikarakara ny lisitry ny olona ao aminy, ny CENI na Vaomieram-pirenena misahana fifidianana dia fandaniam-bola. Ataovy ny dinika politika hiadian’ny mpanao politika hevitra! Tereo hiady hevitra momba ny rafitra tiany hitondràna ny firenena ny antoko politika mitovitovy hevitra! Isan’ny tokony dinihina ny famatsiana ny antoko amin’ny fifidianana. Atao ny fifanarahana politika vao atao ny fikaonandoham-pirenena. Tsy lany ara-dalàna fa hala-bato sy kolikoly samihafa no nahalany ny antsasa-manilan’ny mpikamban’ny antenimieram-pirenena. Tsy ny lalàna no tsy mety fa ny fampiharana azy. Noteren’ny frantsay hanao repoblika isika hanohizany zarazarao hanjakàna. Izay no mahatonga ny RMDM hitaky fifidianana lalàmpanorenana aloha. Ny malagasy nanary ny zo maha malagasy azy sy ny vazaha ihany no tsy tokony handray anjara amin’ny dinika politika. Mila ravàna faran’izay haingana ireo rafitra voalaza teo. Tsy maintsy didim-panjakàna no andravàna an’ireo! Karazana firaisana tsikombakomba amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, no fahitàn’ny olompirenena ny fiaraha-miasan’ny fitondràna ankehitriny amin’ireo olon’ny mpitondra teo aloha be dia be ireo, hoy hatrany ny Rodoben’ny mpanohana ho an’ny demokrasia eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-août-2026

lapan'ny tombontsoa manokana?"

Card image cap
14-août-2026

ny asany ny depiote

Card image cap
14-août-2026

misokatra ny mpitondra»

Card image cap