airtel

Politique

16-janv-2024

Noho ny tsy fahaiza-mitantana

Mamoron-javatra hanadalana saim-bahoaka…

Sample post image

Tafapetraka indray io ny governemanta ! Niavaka ny fihetsiketsehana ivelany sy famoronan-javatra

16-janv-2024

hoenti-misintona ny saim-bahoaka fa tena hanao zavatra ny fitondrana. Sambany teo amin’ny tantara ny fampanaovana fianianana ny minisitra. Tsy vao izao anefa no nisiana endrika tahaka izany satria tsaroana tsara ny fampiasana an’ilay voambolana «velirano» teo aloha izay raha adika tsotsotra ara-keviny dia karazana voady, ary manan-danja lehibe eo amin’ny soatoavina Malagasy. Tena nampiasaina araka izay heviny izay ve anefa sa voazimbazimba tamin’ny fampanantenana poakaty sy tsy tanteraka maro ilay hevitra fonosiny ? Nivalona iny dia nandeha indray ny fampanaovana fianinana, saingy tsaroana tsara ny resaka «contrat-programme » teo aloha sy ny filazana fa hisy tomba a isaky ny 6 volana. Efa nisy koa aza ny kisehoseho nampiasana « lakile » lehibe nilazana fa efa eny an-tànana ny fanalahidin’i Madagasikara. Dia iaraha-mahita ny vokatra ankampobeny ho an’ny firenena, raha tsy hilaza afatsy ny fitomboan’ny tahan’ny mahantra ho 81,7%. Tena hita taratra ny maha olon’ny serasera sy ny dokam-barotra ilay Filoha, saingy any amin’ny vokatra hatrany no ahafaha-mandrefy ny fahombiazany. Raha miverina amin’io resaka fianianana io, tokony izay misy eo no hajaina sy hatao izay hampahomby azy fa tsy mamorona mba hanaitairana ny olona fotsiny. Andininy fahafiry ao amin’ny lalàmpanorenana no milaza fa manao fianianana ny minisitra ? Nahoana ny Praiminisitra no tsy nanao izany ? Ary sao dia ny Filoha ihany koa no mila mianiana rehefa tsy mahomby fa hiala raha hanao an’izao ihany ? Ny voafaritry ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana dia hoe : « Ny Filohan'ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro an'isa ao amin'ny Antenimierampirenena. Ny Filohan'ny Repoblika no mampitsahatra ny Praiminisitra amin'ny asany, aorian'ny fanolorany ny fametraham-pialàn'ny Governemanta, na vokatry ny fahadisoana goavana, na noho ny tsy fahombiazana azo tsapain-tànana. Ny Filohan'ny Repoblika no manendry ny mambra ao amin'ny Governemanta sy mampitsahatra azy ireo amin'ny asany, araka ny tolokevitra avy amin'ny Praiminisitra. ». Mbola misy ilàna fianianana ve izany ?

MILENTIKA REHEFA NY LOHANY SY NY VINA ARY NY PROGRAMA NO MATSANTSO
Voafaritry ny andininy faha-55 amin’ny lalàmpanorenana ihany koa, fa anisan’ireo asa valon’ny Filoham-pirenena ny manoritra sy manapaka eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, ny politika ankapobe arahin'ny Fanjakana ; manara-maso ny fampiharana ny politika ankapoben'ny Fanjakàna voafaritra araka izany sy ny asan'ny Governemanta; mampiasa ireo ratsa-mangaika mpanara-maso ny Fitondran- draharaham-panjakana. Afaka mamindra ny sasantsasany amin'ny fahefany amin'ny Praiminisitra ny Filohan'ny Repoblika. Miainga amin’ny vina na « Vision » an’ny Filoha, makany amin’ny fandaharan’asa, ny politika ankapoben'ny fanjakana, ny tetibolam-panjakana,… ka miankina amin’ny fahamatoran’ireo ny fahombiazana na tsia fa tsy any amin’ny resaka fianianana na tsia. Anjaran’ny mpanatanteraka araka izay anarany izay ny manatanteraka ny fandaharan’asa ankampoben’ny Fanjakana, ary afaka mijery hoe : inona no lalàna mila ahitsy na ampiana na ovaina hampandeha tsara ny asa ka manana anjara amin’izany ny fahefana mpanao lalàna. Rehefa ilay filoha sy ny « Vision » izany no tsy izy dia tsy misy azo antenaina ka eo no ilàna diloha tena mahalala hoe : inona no tena laharampahamehana, fa rehefa tsy izay dia tsy misy azo antenaina. Ny manaraka sy manatanteraka ny programa sy fandaharan’asa naroso no andraikitry ny minisitra. Manatanteraka ny governemanta fa tsy mamorona.
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap