airtel

Politique

24-avril-2024

OLGA RAMALASON

Raharaha efa 15 taona lasa no nanagadrana azy

Sample post image

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

24-avril-2024

ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora nanomboka omaly talata 23 avrily 2024 takariva Rtoa Olga Ramalason, kandidan'ny vovonana Firaisankina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka ao Antsirabe I. Raharaha tany amin’ny 2009, fony izy Ben’ny tananan'ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe no nofongarina anenjehana azy, amin’ny vesatra "abus de fonction" sy "faux en écriture publique", raha ny vaovao vonjimaika. “Raha raharaha efa tamin’ny 15 taona lasa dia nahoana no haingana be tahaka izany satria raha ny filazan’ny vady aman-janany dia ny maraina tamin’ny 9ora alina izy no nantsoina teny amin’ny PAC dia niandry teo fotsiny hatramin’ny 4 tolakandro, ary tonga dia hoe: noho ny antony izao sy izao dia miditra am-ponja vonjimaika, tsy misy niomanana”, hoy ny depiote sady mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Misy ifandraisany amin’ny maha kandida azy any Antsirabe voalohany ve satria raha izao fisehoany izao dia hoe: nahoana no 15 taona aty aoriana no izao no mivoaka? Raha ben’ny tanàna izy tamin’izany dia tsy afaka handray fanapahan-kevitra tsotsotra. Raha ohatra ka resaka tany satria misy resaka an’izay ilay izy, dia tsy maintsy misy hidirana mpanolontsaina monisipaly na olona, hafa hoy hatrany ny Mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Araka ny fantatra dia efa samy nodimandry ireo olona tandrifin'andraikitra tao amin'ny Kaominina amin’ity raharaha ity, ka izy no iandronan'ny rihitra, hoy ireo akaiky azy. Efa minisitry ny varotra tamin’ny tetezamita, ary efa Senatera TIM ihany koa ramatoa Olga Ramalason, ary kandida solombavambahoaka amin’ny anaran'ny vovonana Firaisankina ao Antsirabe I amin’ny fifidianana hatao ny 29 martsa. Roa aminy izany hatreto ireo kandidan’ny Firaisankiana tratry ny fatopatotra sy voataritarika eny amin’ny Fitsarana satria mbola tsy tena fantatra ihany koa izay iafaran’ny dosie Fetra Ralambozafimbololona, raha toa ka io nandefasana vonjimaika any Antanimora io kosa ny an-dRtoa Olga Ramalason. Andrasana ny tohiny! Andaniny, fampahatsiahivana fotsiny no atao fa nangina ireo dosie goavana nahasaringotra olon’ny fitondrana ary saika kandida depiote ny ankamaroan’ireny amin’izao, raha tsy hilaza afatsy ny Minisitry atitany teo aloha Atoa Tianarivelo Razafimahefa kandida depiote ao Ambatolampy, ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha Atoa Imibiki Herilaza kandida any Sainte Marie,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap