miaramila na "vert armée", izany hoe, ry volomboasary na "orange" teo aloha mampisara-bazana ny mpitolona, hoy ny mpanao politika, Nantenaina Rakotoarisoa. Te hiverina aingana amin'ny fitantanana ny firenena izy ireo, hoy izy. Ampiadiana amin'ny Gen Z ny PRRM na filohan'ny fanavaozana. Vahaolana naroso teto ny hoe mifampiresaka isika mpitolona. Nampiantso fihaonana ny praiminisitra. Nasain'ny PRRM nisakafo taminy ny ray aman-drenin'ireo Gen Z. Ampiadiny ny TIM sy PRRM. Ankilany, PRRM mandamina. Misokatra ny Magro, PDS TIM, minisitra TIM. Misy milaza koa izy ireo fa aleo hijanona ny fikaonandoham-pirenena fa aleo atao ny fifidianana lalampanorenana dia alefa ny fifidianana rehetra sy ny hafa marobe. Izao ry maitso miaramila fosika. Arakay io ataonareo io. Ny tanjonay tsy toerana fa dingana io mba hisorohana ny krizy tsy miverimberina intsony. Ny anareo fifidianana no tanjona fa ny anay firenena no jerena. Tsy hitovy mihitsy ilay vina ka izay no antony nanonganana anareo teo, hoy hatrany ny tenany nanamafy fa miezaka mampisara-bazana ny mpitolona ny olon-dRajoelina.
Nangonin'i J. Mirija