airtel

Politique

17-févr-2022

Politique

Olona manodidina an-dRajoelina Tena mbola manohana azy 100% ve ?

Sample post image

Hafahafa ny rivotra mitsoaka ao anaty Fanjakana. Matoa tonga tamin’ny fialana sy fanesorana minisitra, dia efa tsy mitoetra intsony izany ny firaisan-kianan’ny governemanta.

17-févr-2022

Teo ny mety ho fisiana raharaha kolikoly sy dosie goavana, izay narefotry ny tambajotran-tserasera Facebook, fa mety ao ihany koa ny fifandirana sy fifanandrinana ara-politika, ka izay maherry no tafavoaka. Nalaza ny hoe : te haka ny toerana ho Praiminisitra ary tsara toerana tamin’izany ilay minisitra niala na naneho aza rehefa nalaza io resaka io fa tsy mieritreritra izany. Mety nandeha ny resaka kapa ranjo politika. Raha zohiana sy halalinina, efa toa efa mifanao ankolafy, ka mety misy ny ekipan’ny Filoha, misy ny ekipan’ny Praiminisitra, misy ny mody mangina,... Nilaza, ohatra, ny mpaneho hevitra malazan’ny facebook izay notorian’ny Fanjakana fa ny Praiminisitra no nandetika azy mafy hogadraina, raha toa ka ny Minisitry ny fitsarana tamin’izany kosa no voalaza fa niaro azy. Vao niala ilay minisitra dia nambara fa ho avy amin’izay ny « dictature » na ny didy jadona satria tsy ao intsony ilay minisitra nivoy sy niezaka nametraka ny fitoniana politika na « stabilité politique», izany hoe : eo anatrehan’ny resaka fanenjehana sy fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra raha halalinina. Misy lonilony matoa tonga amin’ny tsotsorimamba, ary voalaza fa misy ny ankolafy nanosika ilay minisitra hivoaka. Ara-politika, tena mbola manohana madio na « fidèle » amin’ny Filoham-pirenena ve ireo mpiara-miasa aminy ao anaty governemanta sa efa misy mandavaka sy mamorona làlan-kafa sy drafitra any ivelan’ny fitondrana ? Tahaka izany ihany koa ireo olom-boafidy toy ny depiote IRD hoe : tena mbola manohana 100% sa efa misy misarizoro any amin’ny politisianina hafa malaza fa ho kandida amin’ny 2023 ? Iaraha-mahalala rahateo ny karazana ady an-trano miseho eo amin’ireo samy mpomba an-dRajoelina. Misy ny sasany toa ilàna kisa kanefa fantatra sy hita taratra ihany ny mety ho fahatarihany ny namany hafa mety hifindra lasy. Misavoritaka ambony ambany ny Fanjakana, ary tsy ny mpanohitra no manelingelina azy, fa ny samy ao anatiny mihitsy no efa tsy milamina, toa misy ny mifampiandry an-kendritohana raha tsy hilaza afatsy ity resaka hamoaka dosie ity. Ny ady an-trano aza tsy voalamina ka firenena inona no ho voatantana araka ny tokony ho izy amin’izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap