airtel

Politique

06-févr-2024

Paul Rabary

“Mila voa tsy hary ny fanjakana raha tsy hampiasa ny Plaza!”

Sample post image

ny fiainan’ny Malagasy hatreto. Ny mpitondra manamafy ny sezany,

06-févr-2024

Ny fifanarahana amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana dia midika fa tsy manana fahafahana na “moyen” ny fanjakana hanajariana na hanaovana “réhabilitation” ilay toerana, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, naneho ny heviny mikasika ny fifanarahana nosoniaviny momba ny fitantanana ny Plaza etsy Ampefiloha fony izy minisitra. Tsy midika izany, hoy izy, fa lasan’ilay sehatra tsy miankina ilay toerana. Voasoratra ao anaty fifanarahana na “convention” fa azon’ny fanjakana alaina amin’ny fotoana ilany azy ny toerana. Ohatran’ny hoe manofa trano ianao dia misy fepetra apetraky ny tompon-trano dia mba mila arahana kosa. Izaho miteny fa na tamin’ny andronay aza dia be dia be tamin’ny fifanarahana no tsy voahaja saingy izy moa mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany dia tsy afaka natao na inona na inona. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no namaritra ny fepetra fa izaho moa nanasonia fotsiny. Nanahirana anay izany tamin’ny fotoan’andro satria mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena ilay olona. Nahazo 10 taona latsaka kely moa izany izy, raha fehezina, nahafahana nampiasa ilay toerana. Voalokony tsara tarehy sy namboariny ny toerana saingy an’ny fanjakana. Ny tao anatiny no azy ary nalainy daholo ny fitaovana tao. Mila voa tsy hary ny fanjakana raha tsy hampiasa ny Plaza! Adalan’ny fanjakana indray raha hoe efa voaloko tsara sy vita tsara tarehy ilay izy nefa tsy ho ampiasainy. Mino aho fa hain’ny fanjakana ny mampiasa an’io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap