airtel

Politique

06-févr-2024

Paul Rabary

“Mila voa tsy hary ny fanjakana raha tsy hampiasa ny Plaza!”

Sample post image

Ny fifanarahana amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana dia midika

06-févr-2024

fa tsy manana fahafahana na “moyen” ny fanjakana hanajariana na hanaovana “réhabilitation” ilay toerana, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, naneho ny heviny mikasika ny fifanarahana nosoniaviny momba ny fitantanana ny Plaza etsy Ampefiloha fony izy minisitra. Tsy midika izany, hoy izy, fa lasan’ilay sehatra tsy miankina ilay toerana. Voasoratra ao anaty fifanarahana na “convention” fa azon’ny fanjakana alaina amin’ny fotoana ilany azy ny toerana. Ohatran’ny hoe manofa trano ianao dia misy fepetra apetraky ny tompon-trano dia mba mila arahana kosa. Izaho miteny fa na tamin’ny andronay aza dia be dia be tamin’ny fifanarahana no tsy voahaja saingy izy moa mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany dia tsy afaka natao na inona na inona. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no namaritra ny fepetra fa izaho moa nanasonia fotsiny. Nanahirana anay izany tamin’ny fotoan’andro satria mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena ilay olona. Nahazo 10 taona latsaka kely moa izany izy, raha fehezina, nahafahana nampiasa ilay toerana. Voalokony tsara tarehy sy namboariny ny toerana saingy an’ny fanjakana. Ny tao anatiny no azy ary nalainy daholo ny fitaovana tao. Mila voa tsy hary ny fanjakana raha tsy hampiasa ny Plaza! Adalan’ny fanjakana indray raha hoe efa voaloko tsara sy vita tsara tarehy ilay izy nefa tsy ho ampiasainy. Mino aho fa hain’ny fanjakana ny mampiasa an’io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap