airtel

Politique

24-avril-2024

Politika maloto ao Alaotra Mangoro

Nesorina ny Talen’ny fotodrafitrasa vao voatendry fa tsy TGV

Sample post image

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

24-avril-2024

Anton’io ny fanehoan-kevitra na « publication » tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Talen’ny Fotodrafitrasa eo anivon’ny Faritra DIR (Directeur des Infrastrictures Régionales), izay mikasika fanohanana kandida tsy miankina nataony. Tsara ny manamarika fa vao ny fiandohan’ny volana martsa Atoa Andriambelomanana Jonathan Pierrot no nandray ny toerany amin’ny maha « staff » eo anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro io DIR io, ary naneho ny fiarahany ara-politika amin’ny kandida tsy miankina Nancy N°1, ka tsy levon’ny vavonin’ny TGV tarihin’ny governora sy ny ekipany. Notapahana tao anatin’io fivoriana io noho izany fa hatsahatra avy hatrany amin’ny asany io DIR io, ka nalefa tamin’ny Birao politika nasionalin’ny TGV ny fanapahan-kevitra mba ho tatitra. Tsy ny resaka fahaiza-manao izany aloha no mety ho zava-dehibe fa ny loko politika, ary tsy manan-tsafidy ny tsirairay, fa rehefa tsy volomboasary dia apitika. Lojika amin’ny lafiny iray hoe : ny loko sy fijery politikan’ny mpanendry no mila arahana, saingy manana ny safidiny ihany koa ny tsirairay, ka heverina fa efa fantatry ny notendrena ihany koa no hitranga. Raha ny fahitana ny fanehoan-kevitry ny lasibatra rahateo, dia toa tsy rototra fa firy mijoro sy manamafy ny foto-keviny sy ny safidiny. Na izany aza, miharihary hatrany ny fampanjakazakana loko politika iray amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny volomboasary dia mety hahita faisana. Ny mpiasam-panjakana raikitra maro ny tratry ny fandrahonana famindran-toerana, toy ny mahazo ny mpampianatra. Ireo olom-boatendry raha vao misy midilatra kely dia lasibatra. Mitohy ny filalaovana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika, ny fanjakazakana,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap