airtel

Politique

16-janv-2024

Praiminisitra Ntsay ho sahy hanao fianianana

Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra

Sample post image

Vita izany iny ny fianianan’izy 27 mianadahy minisitra ao anatin’izao

16-janv-2024

governemanta Ntsay Christian manaraka izao. Tsy hay moa hoe inona izany no zava-nanan-kasina nanaovan-drizareo fianianana tao fa toa sady tsy nisy Baiboly nitehenan’ny tanany ilany avy tao no tsy nisy heverina hoe zava-tsarobidy hafa hita maso nanaovany fianianana araka ny fomba malagasy mahazatra fa dia hoe nianiana, hono, izany izy ireo. Dia samy nifandimby nilaza ampahibemaso teo kosa aloha fa hikatsaka ny tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy, tsy hanao kolikoly, hiady amin’ny kolikoly sy ny tariny teo. Tetsy ankilany dia mba velom-panontaniana ihany ny mpanara-baovao hoe ary ilay praiminisitra ve izany anjely? Tena tsy nisy nampiahiahy mihitsy ve izany tao anatin’ny fotoam-piasan’io minisitra io tao anatin’izay 5 taona mahery naha praiminisitra azy izay nefa ilay firenena teo ambany fitarihany aza ity tongo-bakivaky sady maharary no maha menatra ary fantatr’izao tontolo izao tsianjery fa isan’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ity tany ity ary isan’ireo firenena manana vahoaka noana maro indrindra ihany koa? Angaha moa tsy nandritry ny fotoana nitantanan’io praiminisitra io ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany mihitsy no nisian’ilay volamena nivadika vy? Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra koa, araka izany, ny fianianan’ity praiminisitra ity. Ho sahy izy ve sa tsia?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap