airtel

Politique

29-avril-2026

Raharaha fanakorontanana,

diplaomasia mafampana…

Sample post image

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

29-avril-2026

mpiasa iray roahana hiala eto
Namoaka serasera ofisialy ny Fanjakana Malagasy fa nampanantsoina teny amin'ny Minisiteran' ny Raharaham-bahiny Malagasy tarihin’ny Minisitra Alice N’diaye ny Masoivoho Frantsay monina sy miasa eto Madagasikara, Arnaud Guillois. Nampahafantarina azy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Governemanta Fanavaozana, nilazana fa "persona non grata" ny tomponandraikitra iray eo anivon'ny Masoivoho Frantsay, izay midika fa roahana sy ahilika tsy ho afaka hijanona intsony eto Madagasikara. Anton'izany ny fihetsika heverina fa tsy mifanaraka amin’ny sata ananany, araka fanadihadiana nataon’ny manampahefana isan-tsokajiny, momba ireo asa fanakorontanana mahavoakasika olom-pirenena malagasy sy vahiny. Nanipika kosa ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny fa manaja hatrany ireo fitsipika mifehy ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Fanjakana, araka ny voalazan’ny Fifanarahana Vienne 1961. Asa raha misy ifandraisany amin'ireo raharaha nampiahiahy samihafa, toy ny nilazan'ny Mpanao Gazety Harifidy Ramanandraibe izay mpanolotsain'ny Filoham-panjakana ny 17 aprily 2026 teo nilaza fisiana mersenera Frantsay miisa 10 no tafiditra eto Madagasikara. "Araka ny vaovao mari – pototra tokoa (renseignements généraux), dia ny faha 08 Janoary 2026 izy ireo no niara tonga teny amin'ny seranam- piaramanidina Ivato ary nanambara fa ny ampitson'io ihany dia efa hiverina any Frantsa. Saingy rehefa nohamarinana izany dia hita fa tsy mbola nisy niala teto Madagasikara izy ireo hatramin'izao", hoy io filazana io. Pasiparom – panjakana Frantsay (passeports de service francais) no nahafahan'izy ireo niditra teto amin'ny Firenena ary ny ankamaroan'izy ireo dia voatondro fa miasa eo anivon'ny Ministeran'ny Fitsarana Frantsay. Fantatra ihany koa fa ny sampan – draharaha iasan'izy ireo ao amin'izany Ministeran'ny Fitsarana Frantsay izany dia ny Service national du renseignement pénitentiaire (SNRP) mba hanafenan'izy ireo ny maha mersenera azy ireo.", hoy i Harifidy Ramanandraibe izay namoaka sary.

FIKOROPAHANA...
Nandiso haingana an'io vaovao io ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, Harry Laurent Rahajason, nilaza hoe: "Mbola tsy nisy fampitam-baovao manamarina amin’ny fisian’ireo teratany vahiny mikotrika fanakorontanana eto Madagasikara. Amin’ny maha mpanao gazety azy fa tsy hidiran'ny maha mpanolotsaina iny zavatra nambarany iny". Nandiso avy hatrany ihany koa ny Masoivoho Frantsay nilaza hoe: “Ny Masoivoho Frantsay dia mandà tanteraka ireo filazana mivezivezy amin’izao fotoana izao eny amin’ny tambajotra sosialy sasany, izay milaza fa misy fandraisan’an’i Frantsa anjara amin’ny fikasana hanakorontana eto Madagasikara. Tsy marina ireo tsaho ireo…” . Notsindriany fa tsy tokony hanely ny vaovao tsy marina ary nanontany ny antony sy ny loharano manaparitaka izany, izay heveriny fa mikendry hanimba ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Ny 21 aprily indray anefa, tao anatin'ny firesahan'ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo mikasika ny fisamborana ireo Gen Z izay nambara fa tafiditra amin'ny afera sy nifandray tamin'ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, dia nambarany fa nisy teratany vahiny nosamborina dia i Guy Barret. Ity farany dia hita tao anatin’ny sary sy anarana navoakan’ny mpanao gazety Harifidy Ramanandraibe fa misy mersenera Frantsay 10 tafiditra eto. Tany amin'ilay ampamoaka sy ny fikorontanana samihafa dia efa hita taratra ny endrika fisorohana ny « incident diplomatique » na olana ara-diplaomatika naterak'ireo tranga samihafa. Na teo aza anefa ny fandisoana dia nisy Frantsay nosamborina, nisy fampiantsoana ambasadaoro,... izay endrika maneho fa misy toe-javatra hafahafa nitranga mifandraika amin'ny filazan'ny Fanjakana fa tena misy fikasana hanakorontana sy hifofo ny ain'ny Filoham-panjakana izay efa misy olona 11 nalefa any am-ponja. Tafiditry ny hery vahiny sy ny ady mangatsika ara-jeopolitika sy diplaomatika ve izany ity afera ity? Tsy hanova ny fifandraisana sy tsy hiteraka fifampiahiahiana? Mitady hiitatra aty ve ny sary any Afrika Andrefana (Mali, Burkina Faso, Niger,...) amin'ny fanozongozonana ireo mpitondra miaramila mifanenjana amin'ny Tandrefana na tsy dia mitovy amin'izany aza ny eto fa milaza hanao diplaomasia mivelatra ? Toky R
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap