airtel

Politique

20-févr-2024

Raharaha Ratsimandrava

Nangataka fanokafana fanadihadiana ry Rossy

Sample post image

Herinandro mahery kely taorian’ny fahatsiarovana ny faha-49

20-févr-2024

taona namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava ny 11 febroary teo, tonga nanatitra taratasy mikasika ny fangatahana fanokafana fanadihadiana momba ny namonoana an’io filoham-pirenena maty am-perin’asa io teny amin'ny Ministeran'ny fitsarana ny fikambanana miaraka amin'ny depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy. Notanterahina izany hoy ity farany, taorian'ny fanambaràna nataon'ny filoha Didier Ratsiraka, hafatra napetrany talohan'ny hahafatesany, ka nitondra porofo sy "faits nouveaux" nanononany anarana vavolombelona mbola velona ary tsy mbola nanontaniana. « Vitako ny adidiko araka ny fangatahanareo mpikambana. Adidin'ny fitsarana sisa. Mbola eto isika hanohy ny tolona natomboky ny zokibe Ratsimandrava ho an'ny fokonolona, ny fanapariaham-pahefana ary ny fiarovana ny harem-pirenena », hoy ny depiote Rossy. Tsara ihany koa ny manamarika, fa hisy ny famelabelaran-kevitra sy fijoroana vavolombelona mikasika ny raharaha Ratsimandrava rahampitso 21 febroary tolakandro manomboka amin’ny 2ora, ka ny tapany voalohany dia ny Jeneraly Ramakavelo Désiré sy Ratsimandrava Danielle zanaky ny kolonely Ratsimandrava no hiresaka, ary ny tapany faharoa kosa dia ny mpahay tantara Rakotonaivo Danielle.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap