teo tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Niely ny resaka momba ny fisiana olona naratra, ary tao mihitsy ny nilaza fa nisy namoy ny ainy vokatry ny fisisihana « ticket » hahazoana zavatra saingy niezaka nandiso an’io moa ny avy amin’ny TGV. Tena nisy kosa ny fifanosehana ! Nisy kosa ny zaza voalaza fa nomen-dreniny olona, saingy tsy hita izay nanjavonan’ilay renim-pianankaviana avy eo. Nialoha an’io, ny zoma lasa dia efa sahotaka ny tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, nisy ny fifanosehana, ka nisiana olona lasibatra. Mpitandro ny filaminana 3 kamio no nahetsika nifehy ny toe-draharaha ! Nasaina nakeny amin’ny Coliseum saingy diso fanantenana ny ankamaroany ! Niharihary ny fanjonoana vahoaka, fividianana ankokalaka na mivantana ny safidim-bahoaka, fanararaotana ny Malagasy amin’ny fahantrany ka zara aza ny olona mahantra fadiranovana ka mora ny misarika azy hanamaro isa ny olona amin’ny propagandy sy fihetsiketsehana politika. Mbola resaka hafa ny hoe : volam-panjakana ve ? Volan’antoko ve ? Raha ny sary mitranga dia toa lasa atao fitaovana politika ireo fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola ka asa raha mba misy mangarahara ny fitatanana izay toa entina hanomezana vahana kandidam-panjakana ? Lalaovana ny sary avy eo hilazana fa tena maro mpanohana ny kandidan’ny mpitondra, ary nanaovana serasera hatramin’ny hoe : nisy efa nilahatra nanomboka ny takarivan’ny sabotsy ? Hatramin’ny mpiasam-panjakana betsaka no tratry ny tsindry. Atao mba hanankonana ny mety ho endrika teti-dratsy samihafa toy ny resaka hala-bato izay efa betsaka ny ahiahy ankehitriny? Raha hamapahatsiahy, tany amin’ny 30 septambra no nilazan’i Andry Rajoelina hoe : « Zava-dehibe izany olona hatao ben’ny tanànan’Antananarivo izany, programa sy tetik’asa no tokony hifidianana, ka aoka izay tsy tokony hataontsika ho toerana hifandrafesana intsony eto Antananarivo. ». Nahomby ve ny ben’ny tanàna farany izay olon’ny Fitondrana ? Nilaza fa betsaka ny hanampiana izay ben’ny tanàna lany eo ka hatao maodely amin’ny fampandrosoana Antananarivo, fa tsy ho tanan-dehibe maloto indrindra aty Afrika. Izany ve tsy miapanga tena fa tsy namely ny teo aloha izay an’ny Antokon’ny fitondrana ? Moa tsy efa fampandresena ankolaka ny kandidam-panjakana ve no miseho ankehitriny ? Efa betsaka ny fampanantenana natao teto na amin’izao ankehitriny izao na tamin’ny 5 taona lasa. Tamin’izany no nampanantenan’Atoa Andry Rajoelina fa homena 11 miliara Ar isan-taona ny Kaominina fa nanao ahoana ny niafarany avy eo ? Izao indray mandeha ny pi-maso sy vonjy tavanandro samihafa, toy ny resaka fanamboaran-dàlana. Mbola hanaiky ho voafitaka ve ny vahoaka ? Haneho fandeferana sy fisokafana ve na iza na iza lany eo ? Toa tsy izay aloha no tsikaritra eto, fa tosika propagandy sy kajikajy politika mamohehitra ka asa izay hitranga aorian’ny rahampitso 11 desambra ? Mila mijoro ny vahoakan’Antananarivo ka hiara-hiantena hamadika ny pejy sy hitondra fanovana, fa raha izao no mbola tohizana dia asa izay hiafaran’ity firenena ity !
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia