airtel

Politique

22-mai-2026

Raholdina sy Jean Nirina

Nidoboka am-ponja vonjimaika

Sample post image

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny

22-mai-2026

fonjaben’Imeritsiatosika ny depiote Naivo Raholdina, raha eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa i Jean Nirina Rafanomezantsoa sefom-pokontanin’Anosizato teo aloha. Raha tsiahivina, voambotra ny 02 mey 2026 teny an-tranony teny Analamahitsy i Naivo Raholdina, rehefa voalaza fa tonga avy nitsabo tena tany ampitan-dranomasina. Resaka halatra tany maro be miampy fikasihan-tanana no vesatra nitorian’olona maro azy mahavoarohirohy ny tenany, raha ny fanazavana efa nentin’ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo, ankoatra ireo dosie hafa mety hipongatra. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny vesatra sy fanenjehana an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, izay nilaza taorian’ny fanesorana azy tsy ho sefom-pokontany, fa manaja ny fanapahan-kevitra, ary hipetraka sy hanaja izao fitondrana izao fa tsy hitsangana hanohitra. Herinandro teo no efa notazonina teo anivon’ny mpanao famotorana tao Fiadanana i Jean Nirina Rafanomezantsoa, ary izao nidoboka vonjimaika any Antanimora izao. Samy mpanohana nahafatra-po ny Fitondrana Rajoelina moa izy roalahy ireto. Mety samy nanana ny nataony sy ny vesatra itazonana azy, fa nalaza tamin’ny setrasetra sy fanaparam-pahefana i Naivo Raholdina, izay nirehareha fatratra ara-politika : tsindry tamin’ny fanendrena sefom-pokontany, fikasihan-tanana olona noho ny tsy fitovian-kevitra, fampiasana « gros bras » toy ny tamin’ny hetsiky ny Collectif des candidats ny taona 2023,… Mbola tsy misy na izany aza ny fanamelohana raikitra fa fitazonana vonjimaika no misy. Andrasana ihany koa ireo raharaha hafa satria mbola betsaka ohatra ireo manana dosie goavana tao anatin’ny fitondrana teo aloha no mialokaloka ao Tsimbazaza na any anaty rafitra hafa. Andrasana ohatra ny raharaha Lanto Rakotomanga, ry Tinoka Roberto izay efa tsy depiote intsony,… Asa nanao ahoana ihany koa ny dosie Rabe Jules izay nosamborina tany Toliara ny 22 aprily ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tena ny fanasaziana ny mpitsabo ao

Card image cap
21-mai-2026

fikaonandoha fa tsy hoe olona avy any an-dapa»

Card image cap