airtel

Politique

19-sept-2022

Politique

Raikitra indray ny fisavana trano Hopotehina tanteraka i Mbola Rajaonah ?

Sample post image

Raha somary nangingina taorian’ny volana may 2022 teo nitsarana azy ny raharaha Mbola Rajaonah, dia nisy indray omaly alahady 18 septambra 2022 ny fisavana tampoka na "Perquisition"

19-sept-2022

natao tao amin'ny trano fonenany etsy Ambohimahitsy. Tonga teny an-toerana ny avy amin'ny zandarimariam-pirenena nanatanteraka izany, nanomboka tamin'ny 01 ora sy sasany mahery 02 minitra teo ny fisavàna, ary natomboka teny an-tokontany, izay nosavàna avokoa ny ivelany rehetra, hatramin'ny ao anatin'ny fiara. "Atteinte à la sureté Intérieur de l'Etat" na fanohintohinana ny filaminana anatin'ny Fanjakana no ambangovangon’ny taratasy nentin’ny zandary, raha ny fanazavan’ny mpisolovava Maître Eric Rafidison mpiaro an’Atoa mbola Rajaonah. Olona efa any am-ponja ve mbola hanohintohina ny filaminana anatin’ny Fanjakana? Somary manaitra ihany ny zava-miseho hoe: andro alahady izay tsy fiasana no misy fisavana tampoka. Raha tsiahivina dia nosamborina ny 13 febroary 2019 iray volana latsaka taorian’ny Fianianan’ny Filoha Rajoelina I Mbola Rajaonah, nidoboka am-ponja ny 14 febroary 2019, izay teny Tsiafahy, ary nafindra teny Imeritsiatosika indray ny volana Aprily lasa teo. Ny volana martsa 2020, nilaza ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika tamin’izany Rtoa Rinah Rakotomanga fa manodidina ny 1100 miliara Ar ny vola ananan’ny Fanjakana amin’i Mbola Rajaonah. Nambara fa hetra tsy voaloa teo anelanelan’ny 2014-2018 moa io. Nolazaina fa 35 ny dosie na fitanana an-tsoratra momba ny fandikan-dalàna nataony, izay toa naneho sahady tamin’izany fa ezahina halentika hatramin’ny farany ity mpanolon-tsain’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay nanohana an’I Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana 2018 ity. Ny 26 may 2022 dia nohelohina higadra 5 taona an-tranomaizina sy handoa onitra 27 miliara Ar mahery (27.177.963.488 Ar) amin’ny Fanjakana ka vesatra ny hoe: nanao kolikoly sy nampiditra entana antsokosoko tao amin'ny fadintseranana, ary tsy nanefa hetram-panjakana. Nialohan’izay, ny 11 martsa 2022 anefa, nanao ampamoaka ny mpisolovava Maître Eric Rafidison, fa ny alin’ny fisamborana, dia nisy ny fampiantsoana azy, nolazaina fa ny minisitra no nitady azy. Rehefa tany amin’ilay toerana anefa olon-kafa no tao, olona manana ny maha izy azy any amin’ny Fitondrana. « Ny zavatra nolazaina ahy tamin’izay dia hoe asaivo mandoa vola 10 milliards Atoa Mbola Rajaonah dia tsy mifanala "plume" isika, ary izay mihitsy no voambolana nampiasaina». Voalaza fa manelingelina, ary sao hampiasa vola amin’ny politika ka hatao 0Ar vao mijanona. Efa naneho ihany koa ny vadiny sy ny mpisolovava efa nisy fikasana hamono azy tamin’ny alalan’ny fanapoizinana saingy voasoroka, ary nangataka ny mba ahafahana manaraka ny fitsaboana azy amin’ny maha olombelona satria tsy salama ity farany. Ny febroary 2024 vao mety ho tafavoaka ny fonja I Mbola Rajaonah raha raisina amin’ilay didy famonjana 5 taona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap