airtel

Politique

25-août-2026

Raikitra ny fikaonandoham-pirenena

Hisy endrika « mouvances» sy fanovana PM ?

Sample post image

Hatomboka amin’ny fotoam-bavaka

25-août-2026

etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka izay natao ho Ivon-toerana iasan’ny FFKM mikasika ny fikaonandoham-pirenena ny fampahafantarana ny mpandrindra nasionaly sy ny foiben-toerana ary ireo dingana samihafa mahakasika ny fikaonandoham-pirenena, anio talata 25 aogositra 2026 amin'ny 03 ora tolakandro. Hampahafantatra ireo dingana rehetra hirosoana hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon'ny FFKM miaraka amin'ny kaomity teknika. Andrasana izay tena ho fivoakany, fa raha ny re dia mety hisy ny dingana voalohany amin’ny fifampidinihana eny amin’ny fokontany amin’ity volana Aogositra ity. Aorian’izany dia hifindra amin’ny kaominina, ny distrika ary ny faritra. Ny dingana farany dia ny fihaonana nasionaly izay voalahatra hatao amin’ny volana martsa 2027. Heverina ho dingana lehibe amin’ny raharaham-pirenena, indrindra ny lalan-kivoahana amin’ny krizy marolafy. Asa hanao ahoana ny ho endriny ? Hanao ahoana ny mety ho fidirana an-tsehatra mivantana na ankolaka ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ? Raha niatrika ny fivoriamben’ny SADC mantsy ny Filoham-panjakana tamin’ny tapak’ity volana ity, dia anisany noresahana ny fampihavanam-pirenena, tombanana. Noresahana ireo dingana efa nataon’ny Fitondrana Fanavaozana mba hampitony ny toe-draharaha pôlitika sy hamerenana indray ny fifampiresahana eo amin’ireo mpisehatra samihafa eto amin’ny firenena, ka anisan’izany ny Fikaonandoham-pirenena. Notsindriana ihany koa ny ezaka fampihavanana eo amin’ireo mpisehatra pôlitika malagasy. Ohatra amin’izany ny fampihavanana nata tany Ambovombe, izay nambara fa mikendry ny hamerenana ny fihavanana sy ny fifandraisana eo amin’ireo samy Malagasy. Avoitra ny fanehoana fa efa miroso amin’ny fakan-kevitra politika ny Fitondrana Fanavaozana, izay hitarika mankany amin’ny fanomanana sy ny fitantanana ny fizotry ny fifidianana, izay amin’ny volana Jolay 2027 no heverina hanaovana ny fifidianana voalohany eto Madagasikara.
HIZARA MOVANSY ? HAMETRAKA PRAIMINISITRY NY MARIMARITRA IRAISANA ?
Mbola samy miandry ny sary politika hitranga mialohan’izany rehetra izany anefa ny rehetra hoe : hanao ahoana ? Betsaka ny tombatombana mandeha, mafana ny adihevitra ara-politika, mangotraka ny fanehoan-kevitra amin’ny rafitra itantanana ny Firenena toy ny hoe : Fanjakana tokana sy Fanjakana federaly noresahana tamin’ny fikaonandohan’ny tanora,… Mandeha ny resaka amin’ny mety hisiana ankolafy na « mouvances » toy ny taorian’ny raharaha 2009, ka raha ny tombatombana dia mety hisy « mouvances » 5 ka hatramin’ny 7 eo ahitana ny Mouvance Randrianirina, Ravalomanana, Rajaonarimampianina, Rajoelina,… Mety hisy ny fikitihana rafitra sy fanovana toy ny Praiminisitra sy ny governemanta. Anarana mandeha mety hatao Praiminisitra ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, mety ho hafa mihitsy, fa mety ho avy amin’ny Mouvance Rajoelina ihany koa,... Ity sary farany izay mety hanahirana raha ho tonga amin’io, raha toa ka mety tsy dia hampisy olana raha ny sary voalohany sy faharoa.Efa nandeha ireo fihaonana teo amin’ny PRRM sy ireo Filoha teo aloha, izay nambara fa niresahana ny raharaham-pirenena. Efa nisy ny karazana fampihavanana politika teo amin’ny PRRM sy ny Filoha lefitry ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena Milavonjy Philobert,… Ny Vondrona Iraisam-pirenena toy ny SADC mivoy ny fitantanana tsy misy fanilihana, ny dinika andraisan’ny rehetra anjara, eny fa efa nisy aza ny filazana ny tokony hamoahana ireo voahenjika ara-pitsarana izay voizina ho gadra politika, ny famelana an’ireo nanao sesintany politika ny tenany hiverina eto,… Inoana sy heverina anefa fa mba efa naka lesona tamin’ny krizy nifanesy sy ny fomba nentina niatrehana izany isika ka tsy tokony hamerina ny fahadisoana efa nisy. Na inona na inona mety hizorana, ny zava-dehibe dia ny hoe : tsy tokony hiononaa amin’ny sarintsarim-pandaminana politika, fa tena hametraka ny fototra iorenan’ny Firenena mba hananan’ny Malagasy rehetra ny anjara masoandrony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Lohavehitra 7, ho voaresaka ireo raharaha mafana ?

Card image cap