airtel

Politique

16-sept-2025

Rajerison Antoine, gafiana fa manahirana…

Hihetsika noho ny fahirano ny vahoakan’ny RN1…

Sample post image

Sokajiana ho fahavalo politika na “l’homme à battre”

16-sept-2025

ho an’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny ny depiote Antoine Rajerison, solombavambahoakan’Arivonimamo. Izy irery no kandida ivelan’ny fitondrana nahavita poa-droa tamin’ny fifidianana depiote farany teo, manana depiote 4, nahazo toerana ben’ny tanàna maro ato amin’ny Faritanin’Antananarivo,… Naneho izy omaly raha nivahiny tao amin’ny Top Radio fa betsaka ireo antsojay: nosakanan’ny sefo distrika ny radio nampiasainy tamin’ny ady amin’ny asan-dahalo, nosakanana ny fambolen-kazo,... Tonga hatramin’ny fisiana fiara tsotra manenjika sy manakana dia mpitandro filaminana milaza hanao fisavana. Tamin’ny herinandro lasa, natao “clinique mobile” hijerena ny fahasalamam-bahoaka sahirana, saingy korontanina. Na efa voafidim-bahoaka aza, dia finganina sy potehina ny asa ataonay, hoy izy. Momba ny tetibola CIAD (Crédits d’Investissement à l’Appui au Développement), araka ny didim-pitondrana 2020-833, dia Lehiben’ny distrika no “ordonnateur” sy miantso fivoriana hanaovana “décaissement” sy “programme d’emploi”, hoy izy. Nisy antso natao tamin’ny novambra 2024, naverina tamin’ny desambra, fa tsy nisy valiny. Nandefa taratasy tany amin’ny Praiminisitra sy ny Minisiteran’ny Atitany,… nefa mbola tsy nisy valiny hatramin’izao. Nilaza io depiote fa ho tapitra indray ny taona 2025, ka mety tsy ho tafiditra amin’ny tetibola raha tsy amin’ny 2026. “Avelao izahay hiasa fa isika resy: 70% tanora tsy miasa, 80% mahantra, 40% zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo.”, hoy izy. Isan’ny fitakiana nataon’ny depiote sy ny ekipany ny fanesorana ny Lehiben’ny Distrika. Takian’ny FIVOI ihany koa ny hanalana ny famahana ny olan’ny delestazy ary tsy fitakiana vola tsy ara-drariny amin’ireo fiara mpitatitra hataon’ny ATT (Agence de Transport Terrestre) eny amin’ny RN1, ny fanoloana tsy ara-drariny ireo lehiben’ny fokontany ao amin’ny distrikan’Arivonimamo,... Mafampana ao amin’io distrika io, ary mety hiafara amin’ny fihetsiketseham-bahoaka goavana, ato anatin’ny 24 ora eny amin’ny RN 1, raha tsy misy ny fiovana.
MIDITRA AN-TSEHATRA NY OLON’NY FITONDRANA
Tsy niandry ela, fa nipoitra ny fanenjehana avy amin’ny mpiara-dia amin’ny Fitondrana. Ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy no niaro ny Lehiben’ny Distrika, nilaza fa tsy nahafeno fepetra ara-dalàna ny depiote sy ny ekipany. Takian’ny lalàna ny “procès-verbal de réunion” hanamarinana ny fanapahan-kevitra momba ny “programme d’emploi”. Amin’ny maha-tsenambarom-panjakana azy, dia misy hetra 8% amin’ny “marchés publics” sy 2% amin’ny “fonctionnement”. Nolazaina fa tsy feno ireo fepetra,… Nisy fanamarihana fa mila mitandrina amin’ny “manipulation” handranitana vahoaka, satria tsapa ho misy fikasana hanao tahaka ny tranga tany Népal. Na izany aza, tsy tokony ho voasazy ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina, hoy izy. Atoa Paolo Raholinarivo, Filohan’ny SYNAD teo aloha, nilaza hoe : «Depiote Arivonimamo, aza terenao handika lalàna mahakasika ilay CIAD (Crédit d’Investissement à l’Appui au Développement) ny Chef de District, ianao ange tsy higadra fa manana « immunité parlementaire », aoka isika hanaraka « procédure » sady mba mifanaja amin’ny andraikitra… ». Mampametra-panontaiana ihany mahita itony hoe : mahay miresaka ny olon’ny Fitondrana rehefa mahakasika ny zoron-dambany sy tombotsoa politikany, fa jamba sy marenina amin’ny tranga hafa. Raha ny resaka Arivonimamo dia misy mijoro, fa moa mba misy miteny ve amin’ny tranga toa ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana any Mahajanga II? Satria kandida tsy miankina no lany ary volomboasary ireo mibodo toerana dia tsy olana na tsy arahana aza ny lalàna ? Aiza Rtoa loholona sy ny Filohan’ny SYNAD teo aloha amin’izany ?
Toky R

 

 


RESAKA « CIAD » disitrika Arivonimamo
Sokajiana ho fahavalo politika na « l’homme à battre » ho an’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny ny depioten’Arivonimamo Antoine Rajerison, raha ny sary politika nitranga tato anatin’ny fotoana fohy. Ity farany izay hany lisitra kandida ivelan’ny fitondrana tokana nahavita poa-droa tamin’ny fifidianana depiote farany teo, nahatafiditra ben’ny tanàna maro ato amin’ny Faritanin’Antananarivo,... Naneho ity farany fa misy manelingelina sy migafy foana ny zavatra nataon’izy ireo toy ny ady amin’ny asan-dahalo natao tamin’ny alalan’ny radion’izy ireo izay efa nosakanan’ny sefo distrika tamin’izany. Nosakanana ny fambolen-kazo, ny nanakatonana ny radio, fiakarana fitsarana na dia nanana ny taratasy aza. Finganina sy potehina izay zavatra atao na efa voafidy ho solombavambahoaka aza, toy ny « clinique mobile » natao ny herinandro teo mba hijerena ny fahasalamam-bahoaka izay sahirana kanefa dia korontanina. Ny tetibolan’ny CIAD (Crédits d’investissement destinés à l’appui au développement) izay faritan’ny didim-pitondrana 2020-833 izay mazava fa ny Lehiben’ny distrika no « ordonateur » sy mampiantso fivoriana hanaovana ny « décaissement » sy ny « programme d’emploi ». Efa nisy ny antso ny novambra 2024, nampahatsiahivina ny desambra, fa tsy nisy valiny. Nandefasana taratasy ny Praiminisitra, Minisiteran’ny Atitany,… mbola tsy nisy valiny, ary izao aza efa ho tapitra indray ny taona 2025, ka tsy ho tafiditra amin’ny 2025 indray io fa 2026, hoy ny ampahan’ny fanazavany omaly raha nivahiny tao amin’ny Top Radio. Avelao izahay, hoy izy, hiasa fa isika resy : 70%n’ny tanora tsy miasa, 80%n’ny olona mahantra, 40%n’ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo,… Isan’ny notakian’io depiote io sy ny mpiara-dia aminy ny fanesorana ny lehiben’ny distrika. Tsy niandry ela, fa raikitra ny fanenjehana ataon’ireo mpiara-dia amin’ny Fitondrana, ka isan’ny niditra an-tsehatra ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy izay niaro ny lehiben’ny distrika sy nilaza ireo ambarany fa pitsopitsony, toy ny filazana fa takian’ny lalàna ny « procès-verbal de réunion » fanamarinana fa nisy tokoa ny fiaraha-nanapaka ny « programme d’emploi », amin’ny maha-tsenambarom-panjakana azy izay dia misy ny hetra tsy maintsy aloa, « taxes sur les marchés publics » 8% sy « fonctionnement » 2%. Ny lalàna manankery no mamaritra ireo,… ka nilaza fa tsy nahafeno ireo fepetra ny depiote. Tonga hatramin’ny filazana hoe : mila mitandrina tsara mba tsy ho vosariky ny « manipulation » handranitana vahoaka, satria tsapa ho mandrovi-tsihy mihitsy ny fanoherana hisarihana vahoaka hoe hanao tahaka ny nisy tany Népal. Nolazaina fa inona na inona kosa anefa kajikajy politika, tsy tokony ho ny ben’ny tanana sy ny mpanolotsain’ny tanana mihitsy no ho voasazy. Dia nipoitra ihany koa Atoa Paolo Raholinarivo Filohan’ny SYNAD teo aloha nilaza hoe : depiote Arivonimamo, aza terenao handika lalàna mahakasika ilay CIAD (Crédit d’Investissement à l’Appui au Développement) ny Chef de District, ianao ange tsy higadra fa manana « immunité parlementaire », aoka isika hanaraka « procédure » sady mba mifanaja amin’ny andraikitra… Fanamarihana azo entina ny hoe : mahay miresaka ny olon’ny Fitondrana rehefa misy mahakasika ny zoron-dambany sy tombotsoa politika fa jamba sy marenina amin’ny zavatra. Misy manakiana ny lehiben’ny distrika dia io fa misy mijoro sy mahay miresaka lalàna raha io resaka Arivonimamo io fa moa mba misy miteny ve eo anatrehan’ny tranga hafa toy ny lehiben’ny distrika tsy manatanteraka didim-pitsarana any Mahajanga II satria kandida tsy miankina no lany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

no tena misakana ny fanavaozana"

Card image cap
17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap