airtel

Politique

17-avril-2026

POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA

Mila mailo ihany ny tanora

Sample post image

mba tsy ho voafandrika

17-avril-2026

Nandray anjara hatrany tamin’ny hetsika sy ny tolona natao teto amin’ny firenena ny tanora mpianatra hatramin’izay, indrindra fa ireo avy eny amin’ny oniversite. Ary maro avy eo no asa mpanao politika, lasa olom-boafidy, olom-boatendry na nahazo andraikitra hafa eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Fomba fiteny hatramin’izay matetika ny hoe lasa tohatra fiakarana, natao fitaovana politika ny mpianatra fa eo hatrany anefa izy ireo rehefa misy hetsika, Tsy mbola nisy fitondra teto ka tsy hoe nifanditra tamin’ny mpianatra, maro tamin’ireo nahazo fahefana ihany koa no nahazo izany noho ny anjara biriky nentin’ny mpianatra. Mila mazava tsara ny resaka fa anisan’ny toerana fianarana politika ihany koa ny eny amin’ny oniversite, izay nandalo teny dia mahafatatra tsara izany.
MIJABAKA
Inona moa ny maharatsy izany raha toa tokoa ka tena mandray anjara, mandray andraikitra ho an’ny firenena ny mpianatra. Rehefa tsy hanao ny tanora dia iza no andrasana. Ny manahirana anefa dia misy ampahany amin’ireo tanora, amin’iroe mpianatra no tsy mahazaka ny mena miraviravy ka ety mijabaka satria nandray vola, lasa any anaty fanakorontanana no tena mandeha. Misy ireo mikarama mihitsy ka mahavita manangana fikambanana vetivety eo dia misora-tena hoe izahay solotenan’ny mpianatra , na izahay zanaky ny faritra izao sy izao.Hita matetika amin’ny gazety sy ny filazam-baovao izany. Mety mis koa ireo voafitaka satria mbola tsy mahafantatra tsara ilay paikady politika, nentin-fakanam-po kinanjo sendran’ny taolana dia iny ilay mitarika fahakiviana ka tsy te hierika resaka politika intsony. Misy ireo tena mahatsapa ny tsy rariny, ny tsy mety dia milaza ny heviny sy mitolona.
MILA MAILO
Noho izany rehetra izany dia tsy mety ny miaro be fahatany ka hilaza hoe anjely avokoa ny tanora mpianatra, tsy azo atao koa anefa ny manakiana be fahatany. Ka tsy izay ve moa no antony nahaovana fanadihadiana mba hamantarana ny tena marina satria ny ahiahy tsy ihavanana. Natao ho an’ny rehetra ny lalàna ary ny fanjakana na iza io na iza, na aiza na aiza eto ambonin’ny tany dia manana sampam-pitsikilovana sy fanaraha-maso.Mahazo angom-baovao isan’andro avy amin’izany ka amin’ny alalan’iny no hanaingana ny fanadihadiana. Mila mitandrina noho izany ny tanora mba tsy ho taitaitra ka ho roboka amina zavatra mety hampidi-doza, fa rehefa tena sahirana mantsy ianao modimody fanina ny ambiny. Aleo mailo e.
RTT
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap