nataon’ny iraka iombonana avy amin’ny Vondrona Afrikana (UA) sy ny Firenena Mikambana (ONU) teto Madagasikara. Nitarika izany ny Ambasadaoro Mohamed Idriss Farah, solontenan’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikana, sy Parfait Onanga-Anyanga, solontenan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Vondrona Afrikana. Nisy ny fivoriana sy fifanakalozan-kevitra maro niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Governemanta, ny FFKM, ny fiarahamonim-pirenena, ny tanora, ary ny vehivavy mpitarika, ka nanehoana ny fankasitrahany ireo solontena roa tonta noho ny fifanakalozan-kevitra mahasoa sy manampy amin’ny fanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny sehatra politika sy sosialy, hoy ny tatitra. Manentana ny fanombohan’ny fifampiresahana politika feno sy manampy amin’ny fananganana rafitra politika ifanarahana ny iraka iombonana, mba hahafahana manatanteraka fanavaozana ny andry sy rafi-panjakana izay hanome antoka ny fanaovana fifidianana mangarahara, azo itokisana ary milamina.Andaniny, naneho ahiahy ihany koa ireo solontena manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana niseho tato amin’ny renivohitra sy faritra sasany. Nampirisika ny manampahefana izy ireo mba hanohy ny ezaka amin’ny fiarovana ny olom-pirenena sy ny fanajana ny lalàna sy ny zon’olombelona, ary hisoroka ny fihetsika ivelan’ny lalàna, indrindra indrindra ny fitsaram-bahoaka. Nanamafy ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikana fa vonona hanampy amin’ny ezaka ataon’ny vahoaka Malagasy ho amin’ny fampihavanana, ny firaisankina ara-tsosialy, ny fitoniana, ary ny fiverenana tsikelikely amin’ny rafitra ara-institisiona ifanarahana, miaraka amin’ny fanajana tanteraka ny zon’olombelona. Miantso ny mpiara-miombon’antoka rehetra hanohana amin’ny fomba mirindra sy manaja ny laharam-pahamehan’ny firenena Malagasy ireo rafitra ireo, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny dingana demokratika eto amin’ny tany sy ny Firenena. Fomba firesaka diplaomatika ihany koa anefa izany amin’ny lafiny iray satria iaraha-mahalala fa mbola tsy afaka mandray anjara feno amin’ny fivoriana sy fanapahan-kevitra eo anivon’ny Vondrona Afrikanina isika. Mandeha ny tsindry an-kolaka ataon’ireo rafitra hafa toy ny SADC izay antanan-tohatra isan’ny ivon’ny fandraisan’ny Vondrona Afrikanina fanapahan-kevitra, toy ny antso famelana malalaka ny fodian’ireo sesitany politika, famoahana ireo lazaina fa gadra politika,… Tsy hita sy tsy naharototra azy kosa fa nisy mpitondra mafia teto, nisy mpitondra nitifitra sy namono vahoaka niarovan-tseza, nisy olona ambony maro nanodinkodina volam-panjakana tsy toko tsy forohana toa iny raharaha 4000 miliara Ar notaterin’ny Fitsarana momba ny kaonty iny,…
Toky R