Mihevitra ny antoko politika Maeva na Madagasikara endrika vanona fa manana ny antsoina hoe «neutralité absolu» na tsy fitanilàna tanteraka ny tafika ao anatin’izao rafitra itantanana ny firenena ankehitriny izao, hoy ny filohany, Mamy Raharimanana. Tsy ny tafika irery nefa, hoy izy, no mahavita an’ity Madagasikara ity fa mila olona ka izany no nanekeko ifanome tanana ho tombontsoan’ny firenena. Mifandinika avy eo hoe ahoana ka raha mety amin’ny Maeva dia mijanona eo izy fa raha tsy mety aminy dia miala izy. Tsy ny Maeva indray no hanampy izay mamotika an’i Madagasikara. Manara-maso, mijery ny mety sy tsy mety eto ny Maeva. Ekena ny rafitra misy satria io aloha no eo. Tsy manakana ny fitenenana ny tsy mety nefa izany. Matoa mbola mampikaikaika ny vahoaka malagasy ny fahatapahan’ny herinaratra sy rano ary ny hafa tsy voatanisa dia efa niteny foana ny antoko Maeva hoe atambaro hifandinika ny fanaovana politika eto amin’ny tany sy ny firenena aloha ny antoko politika rehetra. Mbola tsy izay aloha no misy. Niteny ny antoko hoe aza asiana fitsitokotokoana na fanavakavahana! Mbola izay ihany nefa no misy raha tsy hiresaka ireo mandrafitra ny governemanta. Tsy afaka hiray petsapetsa sy hiray tsikombakomba amin’ny famotehana an’i Madagasikara ny antoko. Tonga izahay rehefa antsoina hanavotra ny firenena! Tsy omen-tsiny izy 5 mirahalahy fa ireo mandrafitra ny governemanta kosa no hita taratra sahady hoe mety misy hoditr’akondro ao na fikatsahana tombontsoan’olon-tokana. Tsy ny fitondràna toy izao no hamaritra sahady ny fironana eo amin’ny sehatra iraisampirenena hoe tantsinanana na tandrefana na tsy hay. Mpitondra voafidim-bahoaka no tokony hametraka an’izay araka ny praograma nandreseny lahatra ny vahoaka mahakasika izany rehetra izany. Sao indraindray diso fomba fijery isika? Mila jerena aloha ny vahaolana haingana hanarenana ny firenena eo amin’ny lafiny politika sy sosialy satria iray ihany ny sosialy sy ekonomika. Rehefa mandeha ny sosialy dia mandeha ho azy ny toekarena. Rehefa mandeha ny toekarena dia mivoaka ho azy ny sosialy, hoy hatrany ity antoko politika ity.
J. Mirija