airtel

Politique

16-sept-2026

Afera Ravatomamnga

Mihamafy ny fiantraikany

Sample post image

ara- politika atsy Maurice

16-sept-2026

Nanomboka fanadihadiana vaovao mikasika ny « trafic d’influence » na fampiasana fahefana amin’ny fomba tsy ara-dalàna) manodidina ny raharaha Mamy Ravatomanga ny FCC 5(Financial Crimes Commission) Komisiona momba ny heloka ara-bola any Maorisy, raha ny tatitry nampahalalam-baovao Maorisianina. Vokatry ny fitarainana nataon’ilay mpandraharaha maorisianina Nasser Bheekhy, izay nilaza fa nisy olona nangataka vola mitentina 350 tapitrisa roupie maorisianina (eo amin’ny 6,4 tapitrisa euro na 32 miliara Ar eo) mba hanamorana ny fivoaran’ny raharaha ara-pitsarana an’i Mamy Ravatomanga. Nandefa rakipeo sy horonantsary (enregistrements audio et vidéo) voatahiry tao anaty clé USB ho an’ny mpanadihady ny mpitory. Mbola mandinika ny toe-javatra sy ny lanjan’ireo fifanakalozana voarakitra ny FCC. Maro ireo olona efa nohenoina tamin’ny alatsinainy 14 septambra. Tafiditra ao anatin’ny fiampangana i Jean Karl Berty Elysée, izay mpanolotsaina tao amin’ny Biraon’ny Praiminisitra, saingy nametra-pialana vokatr’ity raharaha ity. Nandà ny fiampangana izy ary niala amin’ny toerany. Nisy fepetra napetraka ihany koa mandrara azy tsy hiala ny firenena raha tsy mampahafantatra ny FCC. Nanambara rahateo ny Praiminisitra Maorisianina Navin Ramgoolam, fa “izay manao fahadisoana dia tsy maintsy miatrika vokany”. Ity fanadihadiana vaovao ity dia mitranga raha mbola voafonja ao Maurice i Mamy Ravatomanga. Ny Bail and Remand Court (Fitsarana momba ny famotsorana sy fitanana am-ponja) dia tokony hanambara ny didy momba ny fangatahana famotsorana azy amin’ny 12 oktobra ka asa izay iafarany eo anatrehan’ny savorovoro politika aterany. Midika fa misy akony ara-politika goavana ao Maurice ny afera Ravatomanga. Ankoatra ny fitorian’i Nasser Bheekhy, dia tsiahivina fa nandritra ny kongresin’ny antoko MSM tao Grand-Bois ny zoma 11 septambra, nanamafy indray ny fiampangana ara-politika nataony momba ny raharaha Mamy Ravatomanga i Pravind Jugnauth, Praiminisitra teo aloha. Nampiseho rakipeo izy, izay nolazainy fa antso an-telefaonina nataon’ilay antsoina hoe Karl, olona nilaza ho akaiky an’i Navin Ramgoolam, Praiminisitra maorisianina. Araka ny filazan’i Jugnauth, io antso io dia naneho resaka momba ny fifampiraharahana ara-bola: vola Rs 300 tapitrisa ho an’ny “dokotera” sy Rs 50 tapitrisa fanampiny ho an’ilay olona miteny. Nambarany fa io no ampahany amin’ireo “porofon’ny kolikoly” izay lazainy fa eo am-pelatanany. Mazava ho azy fa zavatra mitovy ireo porofo noresahan’i Jugnauth sy Bheekhy ireo, izay samy mamely mivantana na ankolaka ny Praiminisitra Maorisianina sy ny olona akaiky azy. Henjana ny raharaha, mbola baraingo ny tohiny !
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap