airtel

Politique

16-sept-2026

MPIKAMBANA

AO AMIN'NY VFM

Sample post image

Hijanona ho VFM hatrany na dia

16-sept-2026

rava aza ny Antenimierampirenena
Hijanona ho VFM hatrany ireo mpikambana eo anivon'ny Vovonan'ny Fihavaozana an'i Madagasikara na dia rava aza ny Antenimieram-pirenena raha araka ny fanazavan'ny solombavambahoaka Johnny Rakotoarisoa, anisan'ireo mpitarika. Tsy olona tsy misy hatao izahay hoy izy ka hametraka ny rantsamangaika manerana ny Nosy fa tena ao am-po ny fitiavana ny VFM ary mañana andraikitra amin'ny fampandrosoana ny Firenena izahay. Ny anay hoy izy ireo Solombavambahoaka mpikambana miisa 100 sy ny Ben'ny tanana ary ireo mpikambana tsotra dia miezaka manohana izao Fitondram-panjakana mijoro izao ary samy manao ady sisika mba hanampian'ny Fitondrana Fanavaozana ny faritra misy azy avy hisian'ny fampandrosoana tena izy mipaka hatreny ifotony. Adidin'ny Fitondram-panjakana rahateo hoy izy ny mampandroso ny Firenena. Notsiahivin'ity depiote voafidy tao Ambohidratrimo ity moa fa najoro sy mijoro ny VFM noho ny kihon-dalana lehibe misy eto amin'ny tany sy ny Firenena. Miezaka manome tanana araka izany izy ireo mba hisian'ny Fanavaozana marina manerana ny Nosy.
Pati
Légende : Ny Solombavabahoaka Johnny Rakotoarisoa, nanazava tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap