diplomasia za-draharaha amin’ny laharana minisitra-mpanolotsaina, no voatendry ho mpiraki-draharaha vonjimaika ao amin’ny Masoivoho Amerikana eto Antananarivo, misolo an’i Stephanie Arnold izay nitana io andraikitra io nandritra ny telo taona. Niditra tao anatin’ny diplaomasia amerikana hatramin’ny taona 1998 ary niasa ho « sous-secrétaire d’État adjointe aux Affaires africaines », nanara-maso ny politikam-panjakana amerikana momba an’i Afrika Atsimo sy ireo fandaharan’asa momba ny fandriampahalemana sy fiarovana manerana an’i Afrika Atsimon’i Sahara. Tamin’ny taona 2025 no efa nandalo teto Antananarivo izy nandritra ny fihaonamben’ny SADC. Ny traikefany dia mivelatra manerana kaontinanta maro: niasa ho ambasady amerikana tany Burundi teo anelanelan’ny 2021 sy 2023, ary nanao iraka tany Indonezia, Kamerona, Bosnie-Herzégovine, Aostralia, Papouasie-Nouvelle-Guinée ary Nouvelle-Zélande. Ny fiverenany eto Madagasikara dia manamarika dingana vaovao eo amin’ny fifandraisana amerikana sy malagasy. « Faly aho hiara-hiasa aminareo hanamafisana ny fifandraisana efa mafy orina eo amin’i Etazonia sy Madagasikara », hoy ny fanambarany voalohany. Ny fandraisany andraikitra dia mitranga amin’ny fotoana iray izay misy fanavaozana ny rafitra konsiliera amerikana eto an-toerana.
MIHASAROTRA…
Na izany, ny sary mitranga dia mety hoe fandaminina saingy mety ho azo raisina misy endrika maneho fa mihen-danja ny fandraisan’i Etazonia an’i Madagasikara : tsy nisolo ny ambasadaoro taorian’ny nandehanan-dRtoa Claire Pierangelo tamin’ity taona ity satria anisan’ireo Firenena 13 nampodian’ny Filoha Amerikanina Donald Trump ny ambasadaoro teto. Manampy trotraka an’io, manomboka ny 1 Aogositra 2026, ny fangatahana visa amerikana dia tsy ho tantanin’ny ambasady eto Antananarivo intsony fa hafindra any amin’ny « Centre consulaire régional des États-Unis » any Johannesburg, Afrika Atsimo. Ity fanapahan-kevitra ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaminana vaovao ataon’ny Departemantan’ny Fanjakana amerikana, izay hanangona ny fangatahana visa avy amin’ny ambasady 25 manerana an’i Afrika. Ny fangatahana visa, na ho an’ny « non-immigrant » na « immigrant », dia tsy maintsy atao mivantana amin’ny foibe konsiliera ao Johannesburg, miaraka amin’ny fandoavana ny saram-pangatahana sy ny famandrihana fotoana. Na izany aza, ny ambasady eto Antananarivo dia mbola hanohy hanome tolotra ho an’ny olom-pirenena amerikana sy ny asa konsiliera hafa. Ny fisian’i Melanie Harris Higgins eto Madagasikara dia heverina ho hanome endrika vaovao amin’ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-politika, indrindra amin’ny sehatra fandriampahalemana sy fiaraha-miasa ara-toekarena ary anisan’ny ilofosany ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany raha tsy hilaza afatsy ny any Atsimo. Heverina fa mavesatra amintsika ihany koa amin’ny lafiny iray ny fanovana napetraky ny Amerikanina.
Toky R
Nifarana ny fitsidihana ofisialy