airtel

Politique

27-mars-2024

RAOBELINA ANDRY

« Hahafahana mampitsimbadika ny tantara io fifidianana solombavambahoaka io »

Sample post image

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

27-mars-2024

taiza ireo solombavambahoaka ireo tsy nitsangana, miady ho antsika rehefa nirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, rehefa mahita fa misesisesy ny fakàna an-keriny olona amin'ny faritra samihafa tahaka ny niseho tao Anjozorobe farany teo, ny fanafihana, fandrobàna mahazo ny olom-pirenena na mpandraharaha eny an-dalambe na ao an-tokantrano ka tonga hatrany amin'ny fitifirana sy famonoana azy amin'ny endriny samihafa mateti-pitranga tato ho ato.

Taiza no tsy re nandon-databatra rehefa niakatra ny vidim-piainana, taiza no tsy niloa-bava mikasika ireo harem-pirenena maro be tafaporitsaka eto sy ny marohafa, kanefa ankehitriny, mihazakazaka manameloka ray aman-dreny miteny izay tena marary ny vahoaka.

Sahia isika mametraka olom-boafidy afaka ny hiaro ny tena tombontsoa antsika vahoaka, hijoro amin'ny foto-kevitra mazava ary afaka ny hitondra fanovàna eto amin'ny firenen, hoy izy. Ity fifidianana solombavambahoaka ity no fotoana ahafahana mampitsimbadika ny tantara, hoy i Raobelina Andry.Aty amintsika vahoaka ny fanalahidy, aza miraviravy tànana. Koa manentana antsika ho avy mavitrika, hirodorodo handatsa-bato amin'ny 29 mey ho avy izao.

 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap