airtel

Politique

23-févr-2024

Ray aman-dRenin’i Andry Andriatongarivo

« Mangataka mba avoahy ny zanakay fa tena marary… »

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Ray aman-dRenin’i Andry Andriantongarivo,

23-févr-2024

ka nisy ny horonan-tsary miendrika hafatra nataon’izy ireo, nalefa tamin’ny tambajotran-tserasera omaly. Antony ny fanagadrana ity zanany eny amin’ny fonjan’Antanimora efa nanomboka ny volana novambra 2023 lasa teo. «Taitra izahay mahita resabe miely eny amin’ny tambajotran-tserasera mikasika azy sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Tiko ny milaza fa ny zanakay dia efa nangina ary tsy salama fa marary izy. Tsy manana eritreritra hanelingelina na iza na iza. Anaty fonja tsara ambina no misy azy ka tsy afaka hampiditra fitaovana na hampita vaovao,… Aoka re izay ny fandranitana sy ny fampitomboana fankahalana eo amin’izy mivady satria manan-janaka iraisana izy ireo », hoy ny renin’i Andry Andriatongarivo. Nomarihiny ihany koa fa fantatr’i Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy tsara fa olon’ny fihavanana ireto Raiamandrenin’ny vadiny taloha ireto ka tsy mankasitraka ny fifandirana, efa bebe taona, tsy salama, ary efa marefo. Mangataka ny hamoahana ny zanany mo aizy ireo. «Namangy azy izahay androany, ary tsy salama tokoa izy no itanay tao ka miangavy mba avoahy izy fa tena tsy salama, ary efa nanao taratasy fanekena fa tsy hanelingelina na iza na iza, ary indrindra indrindra ny ordinatera sy ny findainy izay mbola voatazona any amin’ny polisim-pirenena », hoy ny reniny. Nanamarika ihany koa ny rainy, fa efa marefo, efa 70 taona, ka mba efa tsy te hahita olana tahaka izao intsony, ka nanamafy ny fiangaviana mba hamoahana ny zanany. Raha tsiahivina, dia nosamborina ny 08 novambra 2023 teny amin’ny tranony teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ary nadoboka am-ponja roa andro taorian’io Andry Andriatongarivo. Fandrahonana olona tamin'ny basy, fitazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ary fitazonana sy fifohana zava-mahadomelina no vesatra nanenjehana azy. I Andry Andriatongarivo izay nanao ampamoaka maro ary mbola nilaza hanohy izany no nosamborina sy nogadraina, saingy manome toky fa hangina izany raha tafavoaka. Hihaino azy sy ireo Ray aman-dReniny ve anefa ny Mpitondra izay nanagadra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap