airtel

Politique

19-avril-2024

Razanamahasoa Christine

"Tandrovy ny fahamarinana na hihatra aman’aina aza”

Sample post image

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

19-avril-2024

fifamindram-pahefana teo amin'ny Filohan’ny Antenimierapirenena teo aloha Ramatoa Razanamahasoa Christine sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana Andriamatoa Rabenirina Jean Jacques, zokiolona ao amin'ny Birao maharitra, sady filoha lefitra Faritany Toliara. Nandritra io no nitondran’ny PAN teo aloha hafatra miantso ny hitandroana mandrakariva ny rariny sy ny hintsiny. “Tandrovy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, tsy mahafaty ny mandefitra raha izay no hahasoa ny firenena”, hoy Ramatoa Razanamahasoa Christine. Tsara ny mampahatsiahy, fa naongana tsy solombavambahoaka sy tsy ho filohan’ny Antenimierampirenena ny 28 martsa 2024 teo Rtoa Christine Razanamahasoa noho ny fanehoan-kevitra nataony momba ny fiainam-pirenena sy ny fahasahiranana iainan'ny Malagasy, ny tsy fahatokisan’ny mpampiasa vola avy any ivelany, ny filazana niaro fitaka ihany ny ambara fa tolona tamin’ny 2009 satria tsy araka ny nifanarahana tamin'ny tolona tamin'izany fotoana, ka niantsoany ny rehetra hijoro. Teo ihany koa ny nilazany fa olona no olana eto fa tsy rafitra. Izy izay naneho fa afaka ny ziogany, naongana tamin’ny tsy fanarahan-dalàna izy, saingy tsy nanenenany ny zavatra nambarany fa ho tohizany aza ho fiadiana ny tombotsoam-bahoaka. Tsy tapitra hatreo, fa kandida solombavambahoaka tsy miankina ao Ambatofinandrahana izy amin'ny fifidianana hatao amin’ny 29 may 2024, ka niray feo nanohana azy avokoa ny Vondrona avy amin’ny fanoherana fa tsy nanolotra kandida. Veloma mandra-pihaona ihany izany ny fandaozan-dRtoa Christine Razanamahasoa ny lapan’I Tsimbazaza fa afaka volana vitsy dia ho tafaverina ho solombavambahoaka indray?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap