airtel

Politique

19-oct-2022

Politique

Richard Randriamandranto “Tena nifidy aho, aoka ny tantara no hitsara…”

Sample post image

Nahilika tsy ho isan’ny Mpikamban’ny governemanta ny Minisitry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto.

19-oct-2022

Nilatsaka omaly ny didim-panjakana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, nandalo tamin’ny Praiminisitra nanamafy sy nanamarina ny fanesorana ity Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy ity. Voarakitry ny didim-panjakana laharana 2022-1468 omaly 18 oktobra 2022 nanalana io minisitra io, manitsy sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana laharana faha 2021-822 tamin'ny 15 aogositra 2021 nanitsy sy nameno ny didim-panjakana laharana faha 2022-400 tamin'ny 16 martsa 2022 nanendry ny Minisitra ny raharaham-bahiny. Ny fanapahan-kevitra noraisin’I Madagasikara nanameloka an’I Rosianina noho ny fakana ireo ampahan-tanin’I Ukraine ho isan’ny fireneny na “annexion” no nanesorana ity Minisitra ity, izay voalaza fa nanapa-kevitra tamin’ny anaran’ny tenany manokana, tsy niera tamin’ny Filoha sy ny governemanta, ka sokajiana ho famadihan-tanindrazana. Nambara hatrany am-boalohany fa tsy miandany na amin’iza na iza isika, kanefa toa misy politika mivoaka-miditra ihany ataon’ny Fanjakana. Tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny Eoropeanina, kanefa misarizoro amin’ny Rosianina. Telo andro taorian’ny latsa-bato ny 12 oktobra 2022 no nambara, fa tsy nahazo tsodrano tamin’ny Filoham-pirenena sy ny governemanta ny latsa-bato natao. Raha ny vaovao navoakan’ny RFI, nilaza ity minisitra ity hoe : “« avoir pris cette décision en [son] âme et conscience ». « Je ne pense pas avoir mis en danger l’intérêt de la nation en votant ainsi. L’histoire jugera la suite », izany hoe naneho fa nandray iny fanapan-kevitra iny tao anatin’ny fihainoana ny saina amam-panahy, mieritreritra aho fa fanapahan-kevitra tsy hanohintohina sy hampidi-doza ny tombotsoan’ny firenena raha nifidy ny fanamelohana, ary naneho fa ny tantara no hitsara. Voasokajy ho isan’ny olona novolavolain’ny Amerikanina sy ny Tandrefana moa ity minisitra ity. Toerana saropady, ary tafiditra ao anatin’ireo Minisitera dimin’ny fiandrianam-pirenena ny raharaham-bahiny. Mahalala zavatra maro noho izany io Minisitra io. Ho tapitra hatreo ve ny fiarahany amin’izao fitondrana izao sa efa misy toeran-kafa voaomana toy ny hoe: hotendrena ho ambasadaoro? Mbola tazana tetsy amin’ny Lapan’I Tsimbazaza tamin’ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena moa Atoa Richard Randriamandranto omaly atoandro, ary ny takariva kosa no nivoaka ny vaovao fa nesorina. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Richard kosa no hisolo toerana vonjimaika an’Atoa Richard Randriamandranto. Efa avy tany amin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola ity Minisitra ity no nesorina, ary nantsoina indray handrafitra ny governemanta, saingy io nalàna io indray. Isan’ny nanamarika ny fitantanany ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny grevin’ireo sendikan’ny mpiasa sy diplaomaty.
DIPLAOMASIA TSY MARIN-TOERANA
Olona miisa 6 izany izay no nifandimby nitantana io Minisiteran’ny raharaham-bahiny io hatramin’ny nandraisan-dRajoelina fahefana ny janoary 2019, dia Atoa Naina Andriantsitohaina nitantana 9 volana, ny Praiminisitra no nisahana io toerana io 4 volana, Tehindrazanarivelo Djacoba Oliva herintaona sy 5 volana, Patrick Rajoelina 7 volana, Richard Randriamandranto 7 volana, ny minisitra mpisolo toerana Rakotonirina Richard, ary faha-7 taona izay ho voatendry manaraka eo. Midika fa diplaomasia malazo sy tsy marin-toerana ny an’ny volomboasary, ary tsy nanam-bahaolana tao anatin’ny efatra taona fa nisavoamboana lava teny. Tombanana ho karazana famonoana afo na “fusible” eo anatrehan’ny raharaham-pirenena ankampobeny ihany koa anefa io satria tsy resaka minisitra iray no olan’ny Firenena fa ny Fanjakana tarihin’Atoa Andry Rajoelina mihitsy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap