airtel

Politique

19-oct-2022

Politique

Rivo Rakotovao « Tsy mino aho hoe tsy nifanarahana ilay latsa-bato »

Sample post image

Naneho hevitra tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM omaly hariva, mikasika ny toe-draharaha ara-diplaomatika nanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny.

19-oct-2022

Io minisitra io izay voalaza fa nandray fanapahan-kevitra tamin’ny anaran’ny tenany manokana tsy nahazo tsondranon’ny Filoha tamin’ny fanamelohana an’I Rosia. "Izaho dia tsy anisan’ny olona mino mihintsy hoe tsy nifanarahana, tsy nifanekena raha tsy hoe efa tsy Fanjakana na tsy misy maha fanjakana azy intsony, izany hoe: eo amin’ny lafiny fibaikona . Aza hadino fa mbola averiko fa ireny lahadinika amin’ny sehatra ohatr’ireny efa farafahakeliny 3 andro na 4 andro mialoha dia efa fantatra”, hoy ity mpanao politika efa Filoham-panjakana teo aloha ity. Manontany izany ny olona any hoe: inona ny hevitsika ary ilay hevitsika io dia ny filohan’ny Repoblika, fa raha tsy izay no tanterahina dia lasa “fusible” izany ilay olona izy, izany ilay hoe voatora-bato dia tsy nisy niaro izy satria sarotra ihany ny hinoana amin’ny firenena hoe misy Minisitra iray …dia miala tsiny amin’ny fitenenana hoe manao izay saim-patany… ", hoy Atoa Rivo Rakotovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap